Namelabelatra ireo fototra iorenan'ny fiangonana kristianina i Jesosy tao amin'ny Toriteny teo an-tendrombohitra (Mat. 5–7). Hita taratra fa anisan'izany fanorenana izany ny faminaniana. Ary i Jesôsy aza dia nampitandrina antsika ny amin'ireo mpaminany sandoka: "ny voany no hahafantaranareo azy." - Mat. 7:20.
Tsy hita ny fahatsaran'ny voa iray raha tsy rehefa mandeha ny fotoana. Amin'ny fijerena ny toetran'ny mpaminany sy ny vokatry ny hafatra entiny eo amin'ny fiainan'ny olona no ahafahantsika manombana raha mitarika ny olona hanatona an'Andriamanitra izy na mampanalavitra azy Aminy.
Vakio ny Jôna 1:1-3; Asa. 15:36-39 ary ny Gal. 2:11-14. Inona no ampianarin'ireo andalan-teny ireo antsika momba ny mpaminany?
Ny maha-mpaminany anefa dia tsy midika fa tsy manota na tsy mety diso ilay olona. Hitantsika amin'ireo olona ao amin'ny Baiboly izany, i Jona, i Paoly, ary na dia i Petera koa aza dia nanao fahadisoana sy nanana ny fahalemeny. Andriamanitra irery no tsy misy tsiny; fa ny irany kosa tsy mba toy izany. Manana fahalemena tahaka antsika ihany ny mpaminany, saingy tokony ho hita mazava fa manakaiky an'Andriamanitra ny fiainany ary maneho taratra ny toetran'Andriamanitra izy. Ary tsy tokony handrava ny asa fanompoany izy ka hanana fomba fiaina manohitra ny hafatra toriny.
Tsy misy mpaminany manahaka tanteraka ny ohatra nasehon'i Jesôsy , nefa ny mpaminany marina dia mahatoky amin'ny fitsipiky ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fomba fiaina mifanaraka amin'izany (Mat. 7:16–20). Izay rehetra mitonona ho irak'Andriamanitra nefa miaina fiainana mifanohitra miharihary amin'ny hafatra entiny, dia tsy mendri-pitokisana.
Na dia sarotra aza ny fiantsoana ho mpaminany, dia maro ireo mpaminany naneho "voa tsara" nandritra ny asa fanompoany. I Mosesy, ohatra, dia nahomby tamin'ny fitarihana ny Zanak'Isiraely namakivaky ny efitra (Deo. 34:10–12). Ny fahatokian'i Hagay no nampahery ny mponin'i Joda hanomboka indray ny fananganana ny tempoly faharoa, izay efa niato nandritra ny 19 taona (Hag. 1:12). Ny asa fanompoana tsy azo nohozongozonina nataon'i Isaia dia nitondra soa ho an'ny mpanjaka efatra tao Joda, ary nitarika azy ireo namakivaky ny fotoan-tsarotra sy nampahafantatra ny Mesia (Isa. 39:5–6; Isa. 53:4–6). Tsy hadinointsika koa ny fiaiken-keloka vokatry ny fo nataon'i Daniela (Dan. 9:15), sy ny fanoloran-tena an-dranomaso nataon'i Jeremia (Jer. 9:1). Na dia niaritra fanenjehana sy fampijaliana matetika aza ireo mpaminanin'i Jehovah, dia naneho mandrakariva fitiavana marina an'Andriamanitra sy ny vahoakany izy ireo; mariky ny asa fanompoana mitondra voa tsara izany.
Impiry moa no nisy lehilahy na vehivavy mpanompon'Andriamanitra nandiso fanantenana anao tamin'ny fihetsiny na ny fahalemeny? Inona ny lesona manan-danja azonao tsoahina avy amin'izany fanandramana izany?