Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mihira ny fihiran'i Jehôvah any an-tany nivahiniana

Daty
Sabotsy 27 January 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 79:5-13; Sal. 88:3-12; Sal. 69:1-3; Sal. 22:1; Sal. 77; Sal. 73:1-20; 1 Pet. 1:17.

Tsianjery: "Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran'i Jehovah tany an- tany nivahiniana?" - Sal. 137:4.

Tsy voatery handinika lalina ny bokin'ny Salamo akory isika vao hahita fa nosoratana eo amin'ny tontolo tsy lavorary, feno fahotana sy faharatsiana ary fahoriana sy fahafatesana ny Salamo. Tandindomin-doza mandrakariva ny zavaboary izay mitoetra tsara  eoambany fanapahan'Andriamanitra sy ny lalàny marina noho ny ataon'ilay ratsy. Mitombo hatrany ny fanimban'ny fahotana an'izao tontolo izao ka tonga "tany fivahiniana" ho an'ny vahoakan'Andriamanitra ny tany. Niteraka olana ho an'ny mpanoratra ny Salamo izany toe-javatra izany: ahoana no ananana fiainam-pinoana eo amin'ny tany fivahiniana?

Araka izay efa hitantsika dia miaiky ny fitsipik'Andriamanitra izay ambony sy ny heriny ary ny fitsarany marina ny mpanao Salamo. Fantatr'izy ireo fa mandrakizay Andriamanitra ary fialofana azo antoka sy mahavonjy amin'ny fotoam-pahoriana. Izany antony izany no mahavery hevitra ny mpanao Salamo (ary iza moa no tsy very hevitra?) eo anatrehan'ny fanginan'Andriamanitra sy ny firoboroboan'ny faharatsiana eo imason'ilay Tompo Mpanjaka sy feno hatsarana. Aseho eo amin'ny valintenin'ny mpanao Salamo eo anatrehan'izay heveriny ho fanginan'Andriamanitra ny toetra miavaky ny Salamo amin'ny maha-vavaka izany. Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia maneho ny heviny manoloana izay heveriny ho fanginan'Andriamanitra sy ny fanatrehan'Andriamanitra ny mpanao Salamo.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal