Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fizahan-toetran'ny Tompo

Daty
Talata 20 February 2024

Vakio ny Sal. 81:7,8; Sal. 95:7-11; sy ny Sal. 105:17-22. Ahoana no fisehon'ny fizahan-toetra ataon'Andriamanitra ao amin'ireo andininy ireo?

Toerana nakan'ny Isiraely fanahy an'Andriamanitra i Meriba, izay nisalasalany ny amin'ny fahatokian'Andriamanitra sy ny fahafahany manome izay ilain'izy ireo (Eks. 17:1-7; Sal. 95:8,9). Mahaliana fa toa mifamadika amin'izany ny fanazavan'ny Sal. 81 izay manambara fa io no fotoana nizahan'Andriamanitra toetra ny Isiraely (Sal. 81:7). Ary tsy nahomby tamin'izany fitsapana izany ny vahoaka noho ny tsy fahatokiany sy ny tsy fankatoavany.

Mampita hafatra roa sosona ny firesahana momba an'i Meriba. Voalohany, tsy azon'ny vahoakan'Andriamanitra averina ny fahadisoan'ny taranaka lasa. Mila matoky an'Andriamanitra kosa izy ireo ary mandeha amin'ny lalany (Sal. 81:13). Faharoa, na tsy nahomby tamin'ilay fizahan-toetra aza ny vahoaka dia tonga namonjy azy ihany Andriamanitra rehefa tao anatin'ny ady sarotra izy ireo (Sal. 81:7). Ny fahasoavan'Andriamanitra namonjy tamin'ny lasa no manome antoka ny fahasoavany hamonjy ny taranaka ho avy.

Asehon'ny Sal. 105 fa ny fisedran'Andriamanitra dia natao hizahan-toetra ny fitokian'i Josefa amin'ny tenin'Andriamanitra momba ny hoaviny (Gen. 37:5-10; Sal. 105:19). Midika ho "fanadiovana", "fanasana", "famotsiana", ilay teny hebreo Tsarap izay nadika hoe "nizaha toetra" ao amin'ny Sal. 105:19. Araka izany, ny hanala ny fisalasalana rehetra momba ny teny fikasan'Andriamanitra, ary ny hanamafy ny fitokian'i Josefa amin'ny fitantanan'Andriamanitra, no tanjon'ny nizahan'Andriamanitra toetra azy.

Natao hanatanjaka ny zanak'Andriamanitra sy hanomana azy ireo ho amin'ny fahatanterahan'ny teny fikasana ny famaizan'Andriamanitra, araka ny oha-piainan'i Josefa (Sal. 105:20-22).

Ny fandavana ny toromarik'Andriamanitra kosa dia mahatonga fiziriziriana sy hamafisam-po no "Fankatoavana avy hatrany ny lalàny, tsy amim-pisalasalana, takin'Andriamanitra; saingy matory na tsy afa-mihetsika ny olona noho ny fitak'i Satana izay mitaona azy hahita fialan-tsiny sy tsy hanam-panahiana. Hoy mantsy i Satana aminy: tsy ho faty tsy akory hianareo', tahaka ny nolazainy tamin'i Eva tao Edena koa. Tsy vitan'ny manamafy ny fo sy ny fieritreretan'ilay meloka fotsiny ny tsy fankatoavana, fa manjary manimba ny finoan'ny hafa koa. Amin'ny voalohany dia hitany fa tsy mety tokoa ilay fahotana. Arakaraka ny hiverimberenan'izany eo imasony anefa dia mihamalefaka ny fahitany ny haratsin'izany, ary amin'ny farany aza dia manjary manontany tena izy hoe: 'fahotana marina ve ity?', ary dia latsaka amin'ilay fahadisoana koa izy." - TFC, b. 4; t. 146.

Efa nisy fotoana ve nahatsapanao teo amin'ny fiainanao fa manamafy ny fo tokoa ny fahotana? Tamin'ny fomba ahoana? Nahoana ny fieritreretana izany no tokony hitarika antsika ho eo amin'ny hazo fijaliana, izay toerana mety hahazoantsika hery hoenti-mankatò?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal