Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY HAFATRY NY ANJELY TELO SY NY ASA NANIRAHANA AZY

Daty
Alatsinainy 18 December 2023

Ny bokin'ny Apokalipsy dia maneho an- tsary antsika amin'ny fomba makery vaika ny lohahevitry ny fifanandrinana lehibe izay, izay azo lazaina ho ny ao amin'ny Apok. 12:12 no manaitra indrindra: "Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo my devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny." Sarotra ny mety hahatakaran'ny olona iray ny Soratra Masina raha tsy miainga amin'ny foto-kevitry ny fifanandrinana lehibe, izay ho tonga amin'ny faratampony amin'ny andro farany.

Vakio ny Apôk. 14:6-12. Inona no hazavaina eto ary inona no ifandraisan'ireo andininy ireo sy ny iraka ampanaovina antsika ary ny hafatra entintsika?

Ilay hafatra, dia ny hafatr' Andriamanitra: ny filazantsara, no ivon'ilay iraka, dia ny asan' Andriamanitra. Raha ny marina dia ilay hafatra no iraka. Mila fampitandremana ny amin'izay miandry azy izao tontolo izao, ary ny olona tsirairay dia ho voatery hanao safidy, na ho amin'ny flainana, na ho amin'ny fahafatesana.

"Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka." Lio. 11:23. Inona no ambaran'l Jesôsy eto izay mahakasika mivantana ny iraka ampanaovina antsika?

Ny hafatry ny anjely telo ao amin'ny Apôk. 14 no votoatiny sy ivon'izay niantsoana antsika, Advantista mitandrina ny andro fahafito, mba hotorina amin'izao tontolo izao. Ireto roa ireto no lohahevi- dehibe iorenan'izany: ny "filazantsara mandrakizay" (Apôk. 14:6) sy ny flankohofana amin'ny Mpamorona. Hita ao amin'ny fanoritsoritana ny olo-masina ireo lohahevitra roa ireo: "Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy."- Apôk. 14:12. Na inona na inona zavatra hafa ataontsika-ny asa tsara rehetra ataontsika amin'ny fanampiana olona - dia tsy azontsika hadinoina na oviana na oviana ny flantsoana antsika sy ny iraka manokana nampanaovina antsika, dia ny hitory amin'izao tontolo izao very ny fanantenana hita ao amin'ny "filazantsara mandrakizay", ary koa ny hampitandrina an'izao tontolo izao ny amin'izay miandry azy indray andro any.

"Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy." Lio, 11:23. Ahoana ny fahazoanao izay lazain'i Jesôsy amintsika eto? Nahoana no tokony hahatonga antsika handinika ny toerana misy fontsika marina ireo teny ireo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (43)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal