Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TANANA MADIO SA FO MADIO?

Daty
Alatsinainy 05 August 2024

Vakio ny Mar. 7:14-19. Inona no tian'i Jesôsy hambara amin'ny ankamantatra nambarany ao amin'ny Mar. 7:15?

Zavatra saro-pantarina ho an'ny ankamaroan'ny olona ny tenin'i Jesôsy ao amin'io andalan-teny io noho ny fieritreretan'izy ireo ny fifandraisan'izany amin'ny fampianarana voalazan'ny Lev. 11 mikasika ny hanina maloto sy madio. Moa ve nofoanan'i Jesôsy ireo fanavahana ny maloto sy ny madio ireo? Moa ve diso ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito raha mampianatra fa ny Iisitry ny biby madio no tokony hohanin'ny mambran'ny fiangonana izay mihinan-kena?

Voalohany, toa hafahafa raha toa miala amin'ny torolalan'i Mosesy indray i Jesôsy ao amin'ny Mar. 7:14-19 kanefa vao avy nanamarina an'i Mosesy teo anatrehan'ny fomba fanaon'ny olona izy ao amin'ny Mar. 7:6-13.

Faharoa, ny fombafomba izay nasain'ny Fariseo notandremana dia tsy miorina amin'ny fampianarana ao amin'ny Testamenta Taloha; ny lalàna mikasika ny hanina maloto na madio kosa dia miorina amin'izany.

Fahatelo, raha nilaza ny Mar. 7:19 fa nanadio ny hanina rehetra i Jesôsy dia tsy midika izany fa foana ny lalàna mikasika ny hanina madio sy maloto. Midika kosa izany fa tsy manan-kery ny fombafomba noforonin'ny Fariseo mikasika ny fandotoana ny hanina amin'ny alalan'ny fikasihana izany. Ohatra amin'izany ny fiheverana fa raha maloto noho ny fifampikasohana amin'ny Jentilisa ny olona iray dia haloto ihany koa izy raha manendry ny hanina nokasihin'ny Jentilisa.

Vakio ny Mar. 7:20-23. Inona no nambaran'i Jesôsy fa mahalato ny olona?

Marihin'i Jesôsy ao amin'ny Mar. 7:19 fa tsy mankao amin'ny fo ny hanina fa ao an-kibo ary mivoaka any amin'ny fivoahana. Ambarany ao amin'ny Mar. 7:21-23 anefa fa avy ao amin'ny fon'ny olona no iavian'ny ratsy, ny fo izay ivon'ny maha-izy ny olona iray. Tanisainy ao ireo kilema izay miandoha amin'ny fisainan-dratsy ka miafara amin'ny asa ratsy.

Voasokajy ao anatin'ny faharatsiam-pitondran-tena ny fandikana ny didy fahadimy ao amin'ny Mar. 7:10, kanefa hita ao avokoa ireo didy rehetra ao amin'ny vato fisaka faharoan'ny didy folo. Miresaka momba ny fivavaham-poana i Jesôsy ao amin'ny Mar. 7:7, dia ny fandikana ny votoatin'ireo didy efatra voalohany ao amin'ny didy folo izany. Araka izany, mijoro ho mpiaro ny Lalàn'Andriamanitra i Jesôsy amin'ny alalan'ireo andalan-teny ireo.

Mety mitana ny fampianarana marina ianao, kanefa mankaiza ny fonao, iza no mahazo izany amin'ny fahafenoany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (33)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal