Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Fanahy Masina, fanomezana lehibe indrindra

Daty
Zoma 27 September 2024

"(...) Ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana." - Fil. 2:8. 

Mofon’aina:
Mifandanja amin'ny fanalam-baraka an'i Kristy sy ny fahoriany ny fanandratana Azy. Tsy ho Mpamonjy sy Mpanavotra Izy raha tsy efa Sorona aloha. (...). Nasandratr'i Kristy ny lalàna ary nataony manan-kaja tamin'ny nanekeny ny fepetra notakin'izany amin'ny famonjena ny tontolo iray amin'ny fahapotehana; tsy nitaredretra Izy nankany an-danitra mba hanatontosa ny Asany, ary koa hanatanteraka ny iraka nampanaovina Azy amin'ny fandatsahana ny Fanahy Masina ho an'ny mpianany. Amin'izany no anomezany toky ireo mpino fa tsy nanadino azy ireo Izy (...).

Ireo izay tia an'i Kristy teto amin'ity tontolo ity no nirotsahan'ny Fanahy Masina. Tamin'izany no nahavonona azy ireo handray ny fanomezana ilaina rehetra ho fanatanterahany ny iraka nampanaovina azy, tamin'ny fanomezam-boninahitra Ilay Lohany. Tsy ny fanalahidin'ny fahafatesana ihany no nohazonin'ilay Mpanome fiainana teo an-tanany, fa ny fitahiana lehiben'ny lanitra manontolo. Efa nomena Azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy eto an-tany, ary rehefa nandray ny toerany any amin'ny lapan'ny lanitra Izy dia hanolotra ireo fitahiana ireo ho an'izay rehetra mandray Azy.

Izao no nambaran'i Kristy tamin' ireo mpianany: "(...) mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho aty aminareo Izy." - Jao. 16:7. Izany no fanomezana lehibe indrindra. Narotsaka amin'ny maha-harena sarobidy indrindra azon'ny olona raisina Azy ny Fanahy Masina. ( ...) Nomanina mba handeha hitory an' i Kristy ireo mpianatra, tany Jerosalema aloha, izay nanaovana ny asa fanalam-baraka an'Ilay Mpanjaka marina, ary aorian'izay dia any amin'ny faran'ny tany. (...) 

Endrey, feno sy maimaimpoana ny fitahiana harotsaka amin'ireo rehetra manatona an'Andriamanitra amin'ny anaran'itay Zanany. Raha mitandrina ireo fepetra voambara ao amin'ny Teniny izy ireo, dia hosokafany ho azy ny varavaran'ny lanitra mba handrotsahany fitahiana ho azy ireo ka tsy ho ampy aza ny toerana hasiany izany. (...) Raha manamasina ny tenany amin'ny fankatoavana ny fitsipik'Andriamanitra ny vahoakany, dia hiasa eo anivon'izy ireo ny Tompo. Havaoziny ny fanahy manetry tena sy torotoro fo, ka hovany ho madio sy masina. - TDG, t. 341. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal