Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mandresy toy ny nandresen'i Kristy

Daty
Alatsinainy 07 October 2024

"(...) [Izy] efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota." — Heb. 4:15.

Mofon’aina:
Tamin'ny vidiny tsy hita fetra, niaretany fijaliana, izay zava-miafina ho an'ny anjely sy ny olona, no naneken'i Kristy ho tonga olombelona. Nafeniny ny maha-Andriamanitra Azy, nilaozany ny voninahiny, ary teraka tao Betlehema Izy. Niainany tao amin'ny nofo ny lalàn'Andriamanitra mba hahazoany manameloka ny ota ao amin'ny nofo, sy manambara amin'ireo anjelin'ny lanitra fa ny lalan'Andriamanitra dia natao hitondra fiainana, fahasambarana, fiadanana, ary zava-tsoa mandrakizay ho an' izay mankatò azy.

Izany no zava-miafin'ny fahamasinana, dia ny nitafian'Ilay mitovy amin'Andriamanitra ny maha-olombelona, ka namoizany ny voninahiny sy ny toerana maha-mpanapaka Azy any an-danitra, ary nidinany miandalana ho amin'ny fahafaham-baraka sy ny fietrena, ary ny fietrena hatrany. Nijoro teo anatrehan'ny fitsarana Izy, kanefa tsy nanota sady tsy nanan-tsiny, nofotopotorina teo anatrehan'ny firenena izay nafahany tamin'ny fahandevozana. Nolavina sy nomelohina ilay Tompon'ny voninahitra, eny nororana aza. (...)

"Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza", hoy i Pilato, kanefa mba hahazoany sitraka tamin'ny Jiosy dia nasainy nokapohina Izy, mangana sy nivoa-drà, avy eo niharan'ny fahafatesana mahatsiravina teo amin'ny hazo fijaliana. Nentina toy ny zanak'ondry hovonoina Ilay Mpanjakan'ny lanitra (...). Nanampy trotraka ny fahorian'Ilay Zanak'Andriamanitra ny fanira-tsiran'ireto vahoaka izay toa tsy nanana fon'olombelona intsony. Kanefa toy ny zanak'ondry moana eo anatrehan'ny mpanety azy, dia tsy niloa-bava Izy. Natolony ny ainy hahazoan'izao tontolo izao fiainana, mba tsy hisy ho very izay rehetra mino Azy. (...)

Raha toa ka tsy nety lavo Izy dia tsy ho nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka ny olombelona. Nanana safidy malalaka Izy, nozahan-toetra tahaka an'i Adama sy ny olombelona rehetra. Tsy fakam-panahy intsony ny fakam-panahy raha toa ka tsy misy ny fahafahana hilefitra amin'ny fakam-panahy. Tonga ny fakam-panahy, ary resy izany na dia mitaona mafy ny olona hanao ny tsy mety aza, rehefa fantatry ny olona fa azony toherina amim-pinoana izany, eo am-pamikirany mafy amin'ny herin'Andriamanitra. - UL, t. 90. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal