Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitoerana masina

Daty
Sabotsy 19 October 2024

"Telon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin'izay vao hodiovina ny fitoerana masina." - Dan. 8:14. 

Mofon’aina:
Mibaiko antsika Andriamanitra hanolotra ny fotoantsika sy ny herintsika ho amin'ny asa fitoriana ilay hafatra izay nampientanentana ireo lehilahy sy vehivavy tamin'ny taona 1843 sy 1844. (…) 

Ry mpiray fanantenana malala, mijoroa eo amin'izay asain'ny Tompo ijoroanao. Ilaozy eo ireo izay efa nomena fahazavana ombieny ombieny kanefa mbola mifidy hiandany amin'ny fahavalo ihany. (...) Tanteraho ny asa nampanaovina antsika. Ny Tenin'Andriamanitra no hafatra entinao, koa mijoroa eo amin'ny polipitran'ny fahamarinana ka torio ny fiavian'i Kristy tsy ho ela. Tsy maintsy handresy ny fahamarinana mandrakizay.

Niadian-kevitra sy notoherina nandritra ny antsasaky ny taonjato mahery ireo lafiny samihafa amin'ny fahamarinana ankehitriny. Nisy tsangan-kevitra vaovao naroso ho fahamarinana, kanefa tsy fahamarinana, dia nasehon'ny Fanahin'Andriamanitra ny fahadisoany. Rehefa naseho ireo andry lehiben'ny finoantsika dia vavolombelona nanamarina izany ny Fanahy Masina, indrindra ny fahamarinana momba ny fitoerana masina. Nanohana mandrakariva io foto-pinoana io tamin'ny fomba miavaka ny Fanahy Masina. Saingy ankehitriny, toy ny taloha ihany, dia hisy olona sasany ho voatarika hamorona tsangan-kevitra vaovao sy handà ny fahamarinana izay efa nasian'ny Fanahin'Andriamanitra tombokase.

Na iza na iza maneho tsangan-kevitra izay mampiala antsika amin' ilay fahazavana tonga tamintsika momba ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra, dia tsy tokony hekena ho mpampianatra. Zava-dehibe tokoa ho antsika vahoakan' Andriamanitra ny mahatakatra araka ny tokony ho izy ny amin'ny fitoerana masina. Rehefa nikatsaka fatratra ny hahazo fanazavana mikasika izany isika, dia tonga ny fahazavana. (...)

 Fantatro, tamin'ny alalan'ny fahazavana nomen'Andriamanitra ahy fa tokony hofohazina ireo hafatra efa notorina tamin'ny fotoana lasa satria hisy olona hitondra tsangan-kevitra vaovao, ka hiezaka hanaporofo fa ara-tSoratra Masina izany kanjo hevi-diso (...). Tsy azontsika atao ny manaiky ireny hevitra ireny toy ny fahamarinana. Tsia, tsy azontsika atao ny mandao ny fahamarinana izay efa nampiorenana antsika.

Hisy olona mandrakariva hitady zava-baovao, ka hanolana ny Tenin'Andriamanitra mba hampifanaraka izany amin'ny tsangan-keviny. Ry mpiray fanantenana malala, aoka isika handray izay nomen'Andriamanitra antsika sy izay nampianarin'ny Fanahiny antsika ho fahamarinana, ka hino izany. — UL, t. 199
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal