Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fomba fitandremana ny Lalàna 

Daty
Talata 05 November 2024

"Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay." - Sal. 111:3 

Mofon'aina:
Ny tanamasoandro iray avy amin'ny voninahitr'Andriamanitra, ny famirapiratana tokana avy amin'ny fahadiovan'i Kristy, raha miditra ao amin'ny fanahy, dia hampibaribary ny pentina (...) rehetra ao, ka hampihanjahanja ny tsy fetezana sy ny tsinin'ny toetran'olombelona. Ahoana moa no ahafahan'ny olona iray izay entina eo anoloan'ny fenitra masin'ny lalàn'Andriamanitra hirehareha ho manam-pahamasinana? (...) Miseho mazava tsara eo anatrehany ny tsy fahatokiany amin'ny fanaovany tsinontsinona ny lalàn'Andriamanitra, ka dia tsaroany tohina sy ory ny fanahiny noho ny herin'ny Fanahin'Andriamanitra manindrona azy. Maharikoriko azy ny tenany, rehefa hitany ny fahalehibeazan' i Jesôsy Kristy, ny fiandrianany, ary ny toetrany madio tsy misy pentina.

Rehefa manetsika ny fo amin'ny heriny mahatalanjona izay mitondra fifohazana ny Fanahin' i Kristy, dia manjary misy fahatsapana tsy fahatanterahana ao amin'ny fanahy, izay mitarika ho amin'ny fo torotoro sy ny fanetren-tena (...).

Ny fanahy izay mandray izany fikasihana izany dia tsy hitafy na oviana na oviana ny fanamarinan-tena, na koa hihambo ho manam-pahamasinana; tsy izany, fa ho halany ny fitiavan-tenany sy ny fanaovana ny tenany ho zavatra ka hokatsahiny amin'ny alalan'ny fahamarinan'i Kristy izany fahadiovan'ny fo izay mifandrindra amin'ny lalàn'Andriamanitra sy ny toetran'i Kristy izany. Amin' Izay izy vao haneho taratra ny toetran'i Kristy, Ilay fanantenan'ny voninahitra. (...)

Amin'ny fanetren-tena sy ny molotra mangovitra no hanambarany hoe: "Tia ahy Izy. Nanolotra ny Ainy hamonjy ahy Izy. Tonga nahantra Izy mba hampanan-karena ahy amin'ny fahantrany. Tsy nanosi-bohon-tanana ahy ilay Lehilahy zatra fahoriana fa nandrotsaka ny fitiavany tsy mety ritra sy manavotra mba hampahadio ny foko; ary naveriny ho amin'ny fahatokiana amin'ny didiny rehetra sy ny fankatoavana izany aho. Ny fanafoanany ny Tenany, ny fanetren-tenany, ny fanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana no fahagagana izay mameno ny sary mahatalanjon'ny drafi-pamonjena. (...) Nataony izany rehetra izany mba hahatonga ahy hanana anjara amin'ny fahamarinany, mba hitandremako ny lalàna izay efa nodikaiko. Izany no antony iankohofako Aminy. Hanambara Azy amin'ny mpanota rehetra aho." - RC, t. 63. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal