Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asandrato i Jesôsy

Daty
Talata 03 December 2024

 « Izaho no Solofo sy taranak’i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.» - Apôk. 22:16. 

Mofon’aina:
Manoloana antsika ireo loza amin'ny andro farany, ary tokony hampitandrina ny olona ny amin'ny loza eo anoloan'izy ireo isika amin'ny asa ataontsika. Aoka hodinihina ireo zavatra nampitandreman'ny faminaniana. Raha mba mifoha mantsy ny vahoakantsika na amin'ny ampahany ihany aza, raha tsapany ny fahantomoran'ny fotoana voalaza ao amin'ny Apôkalipsy, dia hisy fifohazana ao amin'ny fiangonantsika, ary betsaka no hino ny hafatra. (...) Fitsipika vaovao no arosoy ary ny fahamarinana mazava no asandrato. Ho toy ny sabatra roa lela izany. Aza maika ny hametraka fisainana manohitra anefa. Misy fotoana ilantsika mitony ary mijery ny famonjen'Andriamanitra. Avelao i Daniela hiteny, avelao ny Apôkalipsy hilaza ary ambarao ny fahamarinana. Na manao ahoana na manao ahoana toetry ny hafatra dia asandrato ho ivon'ny fanantenana rehetra i Jesôsy ilay «Solofo sy taranak 'i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro».

 Tsy mikatsaka lalina ny fahamarinana isika. Ny fanahy tsirairay izay mino ny fahamarinana ankehitriny dia hoentina eo amin'ny toerana izay iandrasana azy hanome ny anton'ny fanantenana ao anatiny. Hantsoina hitsangana manoloana mpanjaka, andriana, mpitondra ary ireo olobe eto an-tany ny vahoakan' Andriamanitra, ary ilain' ireo sokaj in' olona ireo ho fantatra fa tena mahalala ny fahamarinana izy ireo. Tokony ho lehilahy sy vehivavy niova fo izy ireo. Afaka mampianatra zavatra be lavitra anao ao anatin'ny fotoana fohy Andriamanitra amin'ny alalan'ny Fanahiny Masina noho ny avy amin'ireo olona manana ny maha-izy azy eto amin'izao tontolo izao. Mandinika ny fifanoherana miseho eto amin'ity tany ity izao tontolo rehetra izao. Amin' ny vidiny tsy hay tombanana no nanomezan'Andriamanitra ny olona tsirairay ny fotoana fanararaotra mba hahafantarany izay hahavonona azy handray ny famonjena. Endrey ny hafanam-pon'ny anjely te hahita izay olona hanararaotra izany tombon-tsoa izany! Raha misy hafatra velarina eo anoloan'ny olon'Andriamanitra dia tsy tokony hanohitra avy hatrany izy; tokony hankeo amin'ny Baiboly izy ka hisedra izany amin'ny lalàna sy ny vavolombelona. Ho hitany eo raha marina izany na tsia. (...) Afaka mifaly amin'ny zavatra tsara isan'andro isika satria afaka manokatra ny haren'ny lanitra rehetra ho antsika isan'andro Andriamanitra. — Ma, t. 23

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (6)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal