Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fanombohan-kase sy ny ranonorana farany

Daty
Alatsinainy 16 December 2024

  "Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: Ny Tompo mahalala ny azy', ary koa: aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy. - 2 Tim. 2:19.

Mofon’aina:
Mialoha ny hifaranan'ny asa sy ny fanombohan-kase ny olon'Andriamanitra, dia hirotsaka amintsika ny Fanahy Masin' Andriamanitra. Ho eo anivontsika ireo anjelin'ny lanitra.

Tsy hitaky amintsika velively izay zavatra tsy azontsika tanterahina ny Raintsika any an-danitra. Maniry ny hiasan'ny vahoakany amin-jotom-po Izy (...) Mila mivavaka izy ireo, (...) mba hitomboan'izy ireo ho lehilahy sy vehivavy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan' i Kristy Jesôsy.

Tsy ny mambra rehetra ao am-piangonana no mikolokolo ho an'ny tenany toetra feno fahamasinana; noho izany dia tsy takany ny andraikiny manokana. Tsy tsapan'izy ireo fa tombontsoany sy adidiny ny manatratra ilay fenitra avon'ny fahatanterahana kristianina (...). Miandrandra ny ranonorana farany ve isika, ary matoky sy manantena ilay andro tsara kokoa, rehefa hahazo hery avy any an-danitra ny fiangonana ka ho vonona ho amin'ny asa? Tsy hamelombelona na hanome hery na oviana na oviana ireo kamo izay tsy mampiasa ny hery nomen'Andriamanitra azy ny ranonorana farany. 

Tena ilaintsika ny miaina ao anatin'ny rivo-piainana madio sy feno aina, izay mamelona sy manatanjaka ny fiainam-panahy. Mila hafanam-po bebe kokoa isika. Tokony ho amin-kery kokoa no itoriantsika ilay hafatra lehibe nasaina nambarantsika amin'izao tontolo izao, (...) izay hanaitra ny tsy mpino sy hahatonga azy ireny hahita fa miara-miasa amintsika ny Avo Indrindra, Izy no loharanon'ny fahombiazana sy ny herintsika (...).

Amin'ny herinao rehetra ve no iezahanao mamerina ireo ondry nania ho ao am-bala indray? Olona an'arivony maro ao anatin'ny tsy fahalalana no mety hahazo fampitandremana. Mivavaha tahaka izay tsy mbola nataonao hatramin' izay, mangataha ny herin'i Kristy. Mangataha tsilon-tsaina avy amin'ny Fanahiny mba ho feno faniriana hamonjy ny very ny fonao. Aoka hasandratra any an-danitra izao vavaka izao: "Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy; mba ho fantatra ety ambonin'ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra." — Sal. 67:1,2. — Ma, t. 212 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (6)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal