Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaha mafy hanana toetra kristianina

Daty
Alarobia 29 January 2025

 "Mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy." - Efes. 4:13.

Mofon’aina:
Tsy hahita ny Tompontsika amim-piadanana velively isika raha   tsy madio tsy misy pentina ny fanahintsika. (...) Tsy maintsy alefitra eo ambanin'ny sitrapon'i Kristy ny fisainana tsirairay. Araka ny voalazan'ny apôstôly dia tsy maintsy "mahatratra mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy" isika. Tsy ho vitantsika mihitsy izany raha tsy misy ezaka mafy ataontsika. Tsy maintsy mitolona isan'andro amin'ny faharatsiana eny ivelany sy ny fahotana ao anaty isika raha tiantsika ny hanana ny fahatanterahan-toetra kristianina.

Izay manatanteraka izany asa izany dia hahita fa be tokoa no mila ahitsy eo aminy, ary hanokana fotoana betsaka hivavahana izy, sy hampitahana ny tenany amin'ilay fenitra lehiben'Andriamanitra, dia ny lalàny, hany ka tsy hanam-potoana hiresadresahana na hifosana ny hafa noho ny fahadisoany, na koa hitsikerana ny toetran'ny hafa. Tokony hahatonga antsika hanetry tena sy handini-tena lalina ny fahatsapantsika ny tsy fahatanterahantsika, andrao verintsika ny fiainana mandrakizay (1 Kôr. 13:5). (...)

Raha tsy ialan'ireo mitonona ho vahoakan'Andriamanitra ny toetrany feno tsy firaihana sy ny hevi-disony momba ny atao hoe Kristianina, dia maro amin'ireo izay mihevitra ny tenany fa eo amin'ny lalana mankany an-danitra no ho hita fa eo amin'ny lalana mankany amin'ny fahaverezana. Maro amin'ireo milaza tena ho mpivavaka, izay miavonavona am-po, no hangovitra tahaka ny ravina andalovan'ny tafiotra, raha sokafana ny masony hahita ny atao hoe fiainana ara-panahy marina. Raha mba azo fohazina mantsy ireo mandrimandry manana aretina ireo, ka hahita ny fifanoheran'ny finoana tanany amin'ny toetra asehony andavanandro!

Tsy maintsy manana fifandraisana velona amin'i Kristy isika raha te ho Kristianina velona. (...) Rehefa voamasina ny fihetseham-pontsika dia manjary ataontsika laharam-pahamehana ambonin'ny zavatra hafa rehetra ny adidintsika amin'Andriamanitra. Mila mibanjina mandrakariva an' Andriamanitra amin'ny mason'ny finoana isika, raha tiantsika ny tsy hiovaova fa hitombo hatrany amin'ny fitiavantsika Azy, sy hahafantatra mazava ny toetrany. I Kristy no ain'ny fanahy. Tsy maintsy mitoetra ao Aminy isika ary Izy ao amintsika, raha tsy izany dia ho sampana malazo. — RH, 30 Mey 1882. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal