Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifaly amin'ny asa tsotra ampanaovina

Daty
Alatsinainy 17 March 2025

 "Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana." Rôm. 12:6.

Mofon’aina:
Samy afaka manatanteraka asa tsara ho an'Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy, raha mianatra ny lesona sarobidy sy manan-danjan'ny fahalemem-panahy ao amin'ny sekolin'i Kristy aloha. Azon'izy ireo atao ny hanasoa ny taranak' olombelona amin'ny fampahafantarana azy ny fahatanterahan'i Jesôsy. Rehefa tsapan'ny mambran'ny fiangonana rehetra ny andraikiny, rehefa manao ny asa eo anoloany amim-panetren-tena izy, dia hahomby izany asa izany. Efa nomen'Andriamanitra asa araka ny fahaiza-manao marobe ananany avy ny olombelona.

Tsy mora ny miasa ho an'ny Tompo amin'izao vanin'andro izao, kanefa ho betsaka tokoa ny zava-tsarotra voasoroka raha toa ka miantehitra amin'Andriamanitra mandrakariva ny mpiasa ary manaraka tsara ireo toromarika omeny. Hoy Izy: "Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana; raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana; raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin 'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana." - Rôm. 12:6-8.

Lohahevitra mitaky fandinihana akaiky sy fifantohana izany. Maro ny fahadisoana ataon'ny olona noho ny tsy fanarahana io toromarika io. Olona maro izay nanankinana asa tsotra mba hotanterahiny ho an'ny Tompo no manjary tsy faly ary mihevitra fa tokony ho mpampianatra izy ireo na koa mpitarika. Te handao ny asa fanompoana tsotra ataony izy kanefa manan-danja sahala amin'ireo andraikitra lehibebe kokoa izany. Ireo izay nomena andraikitra mba hitsidika ny hafa dia mety hihevitra fa azon'ny rehetra atao izany asa izany, heveriny fa afaka manao teny mitory firaisam-po sy fankaherezana ny olona rehetra ary koa afaka mitarika ny hafa amim-pahatoniana sy amim-panetren-tena ho amin'ny fahatakarana araka ny tokony ho izy ny Soratra Masina. Kanefa asa mitaky fahalemem-panahy sy faharetana bebe kokoa izany, ary ilana fahendrena izay mihamitombo hatrany. - MR 11:278, 279. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (66)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal