Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Fanahy Masina no tsy maintsy manazava.

Daty
Alakamisy 03 April 2025

"Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen 'Andriamanitra antsika." - 1 Kôr. 2:12. 

Mofon’aina:
Na eto amin' ity fiainana ity aza dia fikasan'Andriamanitra ny hivelaran' ireo fahamarinan'ny Teniny lalandava eo imason'ny olony. Ny fahazavan'ny Fanahy Masina ihany, izay nanome ny Teny, no ahazoantsika fahalalana ny Tenin'Andriamanitra. «Tsy misy mahalala ny ao am-pon ' Andriamanitra, afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany; - fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza» -1 Kôr. 2:10,11. (...) «Raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin'ny marina rehetra; (...) fa handray avy amin'ny Ahy Izy, ka hanambara izany aminareo» - Jao. 16:13.

Irin'Andriamanitra ny ampiasan'ny olombelona ny fahaizany misaina; ary tsy misy fianarana hafa manatanjaka sy manandratra ny saina tahaka ny fianarana Baiboly. (...) Na izany aza, aoka isika hitandrina mba tsy hanao ny saina ho andriamanitra, izay be fahalemena sy tsy tanteraka amin'ny maha-olombelona. Raha tsy tiantsika ho maizina amintsika ny hevitry ny Soratra Masina, ka tsy ho takatsika ny fahamarinana tsotra indrindra, dia tsy maintsy manana ny fahatsorana sy ny finoan'ny zaza isika, vonon-kianatra sy mitalaho ny fanampian'ny Fanahy Masina. Tokony hampanetry tena antsika ny fahatsapana ny hery sy ny fahendren'Andriamanitra, ary ny tsy fahatakaran'ny saintsika ny fahalehibiazany. Amin-tahotra masina no tokony hanokafantsika ny Teniny, tahaka ny mankeo anatrehany. Rehefa manoloana ny Baiboly isika, dia aoka hanaiky fa misy fahefana ambony noho ny saintsika, ary tsy maintsy miankohoka eo anatrehan'ilay IZAHO IZAY IZY lehibe ny fo sy ny saina. (...) 

Fa izay rehetra mankeo amin'ny Baiboly amin'ny toe-tsaina vonona ny hampianarina sy hivavaka (...), mba handinika ny Tenin'Andriamanitra, dia hahazo fahazavana avy amin'Andriamanitra. (...)

Harem-pahamarinana maro no mbola tokony ho hitan'izay mikatsaka amim-pahazotoana. Nampitovin' i Kristy tamin'ny harena miafina ao amin'ny saha iray ny fahamarinana. Tsy hita etST ivelany izy io, fa tsy maintsy trandrahintsika. Tsy dia miankina amin'ny fahaizantsika misaina loatra anefa ny fahombiazantsika eo am-pitadiavana azy, fa amin'ny fanetren-tena sy ny finoana izay hifikitra amin'ny fanampian'Andriamanitra. — TFC, b. 5, tt. 703,704.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal