Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.

Daty
Alatsinainy 14 September 2026

Hitantsika omaly fa noraisin'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy ho toy ny ady ara-panahy ny fanompoany, ka nampiasa ireo fiadian'Andriamanitra izy ireo. Ho hitantsika anio fa miasa araka ny fepetran'olombelona ireo mpampianatra sandoka. Tsy araka ny tokony ho izy ny fireharehan'izy ireo, fa i Paoly kosa nirehareha noho ny amin'ny Tompo irery ihany. Hoy izy: "Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany."- 2 Kor. 10:17.

Vakio ny 2 Kor. 10:13-17. Ahoana no mahatonga ny fifaninana hampidi-doza ho an'ny fitoriana ny filazantsara?

Nahaliana ireo mpanazava ny azava ny Soratra Masina nandritra ny taonjato maro ny fampiasan'i Paoly ny fiteny mitory fireharehana. Nefa ny fireharehana dia fanao mahazatra fahiny ary nisy fitsipika ara-piarahamonina nifehy izany mba tsy hanafintohinana ny mpihaino. Fantatr'i Paoly tsara izany fitsipika izany, ary narahiny. Ankoatra izany, dia nasehony mazava fa ny fireharehany dia miavaka amin'izay nataon'ireo mpampianatra sandoka. Nirehareha ny amin'i Jehovah izy (2 Kor. 10:17). Teny avy ao amin'ny TT izany: "Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin'ny tany."- Jer. 9:23. Namerina izany andalan-teny ao amin'ny bokin'i Jeremia izany i Paoly mba hanehoany fa i Kristy no anton'ny fireharehany - ny fitiavan'i Kristy sy ny fahamarinany.

Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia mifantoka amin'izay notanterahin' Andriamanitra ao amin'i Kristy ny fireharehan'i Paoly. Araka izany, fireharehana ara-Baiboly izany ka tsy mahatafintohina. Etsy ankilany kosa, ireo mpanohitra azy dia mifaninana aminy ka mifampitaha amin'ireo namany. Fahadalana tokoa izany! (2 Kor. 10:12).

Atsidik'i Paoly ao amin'ny 2 Kor. 10:14-16 fa ny fitoriana ny filazantsara no tena ifantohan'ny fanompoany, na tany Korinto izany na tany amin'ny toeran-kafa. Ny fitiavany an'i Jesosy no nanosika azy hiresaka mandrakariva momba ny vaovao mahafalin'ny famonjena, izay ao amin'ny fahafatesan'i Kristy sy ny Fitsanganany tamin'ny maty.

Tsy tahaka ireo mpampianatra sandoka tany Korinto izay nidera tena i Paoly, fa Andriamanitra no midera sy mankasitraka azy (2 Kor. 10:12, 18). Izy dia "voantso ho Apostolin'i Jesosy Kristy noho ny sitrapon Andriamanitra"- 1 Kor. 1:1. Nahatoky tamin'ny fiantsoana azy izy, mandrapaha-tapitry ny fofon'ainy (2 Tim. 4:7).

Avereno vaklana ny 2 Kor. 10:12-18. Ahoana no hisorohan'ny mpitondra fiangonana na koa ny mambra ny toe-tsaina tla mifaninana? Nahoana ny olona no mora variana amin-java-tsy misy heviny akory?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal