Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahazavana bebe kokoa hatrany

Daty
Zoma 11 April 2025

"Ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao aty ambanin 'ny lanitra." - Mpitt. 1:13.

Mofon’aina:
Na manao ahoana na ahoana fandroson' ny fahalalan' ny olombelona, aoka tsy hisy hieritreritra, na kely aza, fa tsy ilaina ny mandalina mitohy ny Soratra Masina mba hahazoana fahazavana bebe kokoa. Antsoina isika tsirairay handinika ny faminaniana, amin'ny maha-vahoakan'Andriamanitra an-tsika. Tsy maintsy fantarintsika tsara ny tara-pahazavana rehetra atolotr 'Andriamanitra antsika. Tokony horaisintsika ny tara-pahazavana voalohan'ny fahamarinana, ary amin'ny fandinihana amim-bavaka dia hahazo fahazavana bebe kokoa isika, izay azo zaraina amin'ny hafa.

 Raha milamina sy afa-po amin'ny fahazavana ananany ankehitriny ny vahoakan'Andriamanitra, dia azo antoka fa tsy hankasitraka azy ireo Izy amin'izany. Sitrapony ny handros oan'izy ireo hatrany ka handraisany fahazavana mitombo hatrany. Tsy mahafaly an 'Andriamanitra ny toe-tsain'ny fiangonana ankehitriny. Nanjary natoky tena ny fiangonana ka tsy mahatsapa ny filany fahamarinana sy fahazavana bebe kokoa. Miaina ao anatin'ny vanim-potoana izay iasan'i Satana mafy etsy sy eroa isika, dia eo ankavanana sy ankavia, eo aloha sy ao aoriana; nefa dia matory isika vahoakan'Andriamanitra. Fanirian' Andriamanitra ny hisian'ny antso avo 
manetsika ny vahoakany ho amin'ny asa. 

Tsy mandray ny tara-pahazavana avy any an-danitra ny olona sasany fa ny mifanohitra amin'izany. Samy namoaka ny heviny momba ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra na ny pejy voasoratra na ny mpitoriteny eny amin'ny polipitra, kanefa tsy ankasitrahan'ny Fanahy Masina na ny Tenin'Andriamanitra. Tsy isalasalana fa tsy misy olombelona na vondron' olombelona tokony hanao tsangan-kevitra momba ny lohahevitra lehibe toy izany, raha tsy misy ny "Izao no lazain'i Jehôvah" mazava manohana azy.

 Ary rehefa olona be fahalemena, mora andairan' ny fitaoman'ny manodidina amin'ny lafiny sasany, sy mananafironana na toetranokolokoloina izay lavitry ny fahendrena na ny fisainana ara-panahy, no mamakafaka ny Tenin'Andriamanitra sy manandrana mitsara momba izay atao hoe avy amin'Andriamanitra sy avy amin'olombelona, dia miasa tsy misy tolo-tsaina avy amin'Andriamanitra izy ireo. Tsy hambinin'ny Tompo izany asa izany. Ho loza ny vokany, na ho an'izay manao ilay asa na ho an'izay manaiky izany ho asa avy amin'Andriamanitra. - TFC, b. 5, tt. 708,709.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal