Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miomana hiatrika fizahan-toetra

Daty
Talata 15 April 2025

 "Mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin 'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra (..) fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy." - Efes. 4:14,15.

Mofon’aina:
Takin'Andriamanitra amin'ny olony rehetra ny hanatsara ny fahaiza-manao nomeny azy ireo. Tokony hampitomboina araka izay azo atao ny tanjaka sy ny fahamendrehan'ny saina, amin'ny alalan'ny fisaintsainana ireo fahamarinana ara-panahy. Raha avela ho feno zavatra tsy misy dikany sy ho feno fiahiahiana izao fiainana izao ny saina dia hanjary osa sy tia zava-poana ary tsy ampy herim-panahy, araka ny lalàm-piainana tsy azo ovana.

Eo anoloantsika ny andro hizahan-toetra ny fanahintsika, ary tsy hahajoro amin'ireo andro mahory ireo izay malemy finoana. Tokony hodinihintsika amim-pitandremana ireo fahamarinan-dehibe ao amin'ny Baiboly; hilaintsika any aoriana mantsy ny fahalalana tsara ny Tenin'Andriamanitra. Ho hitantsika mazava ny andraikitsika tsirairay amin'ny alalan'ny fandinihana ny Baiboly, ary hahazo hery isika hiatrehana ny andron'ny fakam-panahy sy ny fizahan-toetra. Hotehirizin'ny herin' Andriamanitra ho amin'ny famonjena, amin'ny alalan'ny finoana, izay olona manana fiainana mifamatotra amin'i Kristy. 

Aoka isika hifantoka kokoa amin'ny zava-panahy, ary hampihena ny fahalianantsika amin'ny zavatry ny tany. Raha mandeha araka izany ireo mpampianatra tia izao tontolo izao, dia mety hanjary hifankazatra amin'ny Tenin'Andriamanitra tahaka ny ifankazaran'izy ireo ankehitriny raharahan'izao tontolo izao. "Diniho ny Soratra Masina" hoy i Kristy, "satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy." Jao. 5:39.

Takina amin'ny Kristianina ny hazoto handinika ny Soratra Masina, sy hamaky imbetsaka ny fahamarinana ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Mampidi-doza ny ain'ny Kristianina sy ny toetrany ny finiavany tsy te hahalala ny amin'izany. Manajamba ny saina sy manimba ny hery mendrika indrindra izany. Io no mampisavorovoro ny fiainantsika. Mila mahatakatra ny tenin'Andriamanitra isika vahoakany; mil a manana fahalalana an-tsipiriany momba ireo foto-kevitry ny fahamarinana nambara, izay hanomana antsika ho amin'izay hitranga eto an-tany, sy hiaro antsika tsy hampitambolimbolenin'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra. — TFC, b.'5, tt. 272,273. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal