Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitiavana dia fanasitranana

Daty
Alarobia 14 February 2024

"Ry malala, aoka hifankatla isika; fa a nin'Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehes tia no naterak Andriamanitra sady mahale an 'Andriamanitra."- 1 Jao. 4:7.

Araka ny fomba fijery kristianina dia hery ny fitiavana. Tafiditra ao anatin'izany foto-kevitra izany ny hery ara-tsaina sy ny hery ara-panahy.

Miavaka amin'ny fahombiazany manao ny tsara ny fitiavana madio, ary tsy mahay manao afa-tsy ny tsara izy. Misoroka ny fifandirana sy ny fahantrana izany ary mitondra fahasambarana marina. Matetika ny harena no mandrisika ho amin'ny kolikoly sy ny fanimbana; ary ny tanjaka manosika ho amin'ny herisetra; fa ny fitiavana madio kosa no tompon'ny fahamarinana sy ny fahatsarana.

Tsy azo ampahantraina izay olona mihavana tsara amin'Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy. Tsy hisy fialonana ao am-pony, tsy hanan-toerana ao ny hevi-dratsy, tsy mety hisy ao ny fankahalana. Misandratra ambonin'ny fahasorenana sy ny zava-manahirana eto amin'izao fiainana izao ny fo mifandrindra amin' Andriamanitra.

Tsy maintsy hongotana hatramin'ny fakany izay rehetra nambolen'i Satana ao am-po- ny fitsiriritana, ny fialonana, ny fisainan-dratsy, ny fitenenan-dratsy, ny tsy faharetana, ny fitsaratsaranaivelany, ny fitiavan-tena, ny fieremana ary ny avonavona. Raha avela hitoetra ao amin'ny fanahy ireny zava-dratsy ireny dia hitondra voa izay handoto olona maro. O, firifiry moa ireo mikolokolo zava-maniry misy poizina ka mamono ny voa sarobidin'ny fitiavana ary koa mandoto ny fanahy!

Ilay fitiavana mikoriana avy ao am- pon'i Kristy irery ihany no manasitrana. Ilay Tokana ikorianan'izany fitiavana izany ihany, tahaka ny ranon-kazo ao anatin'ny hazo, sy ny ra ao anatin'ny vatana, no mahay manasitrana ny ratram-panahy.

Manana hery mahagaga ny fiasan'ny fitiavana, satriaavyamin' Andriamanitra izany. Ny valinteny mora izay "mampianina ny fahatezerana mafy", ny fitiavana izay "mahari-po sady mora fanahy" ary "manarona fahotana maro"- Ohab. 15:1; 1 Kor. 13:4; 1 Pet. 4:8 raha hianarantsika ireo lesona ireo, dia ho lehibe manao ahoana re ny hery manasitrana hananantsika e! Ho hafa tokoa ny fiainana ka hanjary fanandramana ny lanitra sahady ny tany!-MLT, t. 179.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal