Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitondra fifaliana ny fiaraha-miasa Aminy.

Daty
Alakamisy 07 August 2025

"Ary misasatra miasa amin'ny tànanay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina, dia miaritra." — 1 Kôr. 4:12.

Mofon’aina:
Tamin'ny famoronana dia natao ho fitahiana ny asa. Nitondra fandrosoana, hery, sy fahasambarana izany. Ny fiovan-toetran'ny tany noho ny ozon'ny ota dia nitondra fiovana teo amin'ny toetran'ny asa. Na dia arahina tebiteby sy havizanana ary fanaintainana aza izany ankehitriny dia mbola loharanom-pahasambarana sy fandrosoana hatrany. Fiarovana amin'ny fakam-panahy koa izany. Ny fepetra takiny dia mampihena ny hakamoana, ary mahatonga fahazotoana, fahatokiana, ary fahamatorana kosa. Araka izany dia manjary tafiditra ao anatin'ilay drafitra lehibe nataon'Andriamanitra hanarenana antsika avy amin'ny Fahalavoana izany. 

Tokony hampiana ny tanora [sy ny hafa] hahita ny tena mahatsara ny asa. Asehoy azy ireo fa Andriamanitra dia miasa mandrakariva. Ny zava-drehetra ao amin'ny natiora dia samy manao ny asa nampiandraiketina azy avokoa. Fiainan'ny zavaboary manontolo ny asa, ary mba hahavitantsika ny iraka nampanaovina antsika dia mita miasa koa isika. 

(...) Asehoy fa rehefa namorona sy niahy ny zavatra rehetra Andriamanitra dia nanome antsika fahefana iza tsy lavitra ny Azy. Nomeny antsika ny fifehezana ny herin'ny natiora amin'ny lafiny sasantsasany. Tahaka ny nanamboaran'Andriamanitra tany tsara tarehy avy amin-javatra tsy misy endrika, isika koa dia afaka manamboatra ny fikorontanana ho filaminana sy hatsarana. Ary na dia simba noho ny faharatsiana avokoa aza ny zava-drehetra ankehitriny dia mbola mahatsapa fifaliana ihany isika rehefa nahavita ny asantsika; toa Azy koa, rehefa nandinika ny tany vao avy noforoniny Izy dia nanao hoe "Tsara indrindra izany."

Ny fanaovana asa ilaina no hahazoan'ny tanora tombontsoa be indrindra ankapobeny. Ny lalao indray dia sady mampiala voly ny ankizikely no mampitombo azy; ary ny fanatanjahan-tena tokony hataony dia tsy izay mampandroso azy ara-batana fotsiny fa ara-tsaina ary ara-panahy koa. Rehefa mandroso tanjaka sy fahaizana izy dia ny fampanaovana azy ezaka ara-batana mahasoa no fakan-drivotra mety indrindra ho azy. Izay manazatra ny tanan'ny tanora hanampy sy mampianatra azy hizaka ny anjara entany eo amin'ny fiainana no mahomby indrindra amin'ny fampivoarana ny saina sy ny toetra. - Fk, tt. 239, 240, np. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal