Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tontolo be voninahitra kokoa.

Daty
Sabotsy 16 August 2025

"Tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay." — 2 Kôr. 4:18.

Mofon’aina:
Ny tany sy ny zavatra eo aminy dia ho simba arakaraka ny iasany. Handalo ny taona vitsivitsy ary ho avy ny fahafatesana. Hotapahina ny anjaranao mandrakizay, tsy ho azo ovana intsony. Raha very ny fanahinao, ahoana no hanonerana aminao ny fahaverezany? Kristy ilay Mpanome fiainana, ilay Mpanavotra, ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao dia mampitodika ny sainao ho amin'ny tontolo iray tsara kokoa. Ataony ao an-tsainao izany. Entiny ho eo am-baravaran'ny lanitra ianao hibanjina ny voninahitry ny mandrakizay, mba hahatonga ny fanirianao handray haingana ny lanjan'ny voninahitra be lavitra sy maharitra mandrakizay. Rehefa mibanjina ny toe-javatry ny lanitra ianao, dia mirehitra ao am-ponao ny faniriana hanana fisakaizana amin'Andriamanitra, ny hihavana tanteraka Aminy.

 (...) Ny fahatahorana sy ny fitiavana an'Andriamanitra no tokony hisintona ny saintsika voalohany indrindra. Tsy azontsika atao ny mangataka andro ny amin'izay mahakasika ny fanahintsika. Tokony hiaina amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra isika amin'izao fiainantsika izao. Fanavotana feno sy tanteraka, izay tsy ho azon'ny fanampiana avy amin' olombelona ampitomboina, no nanavotana antsika tamin'ny fahantran'izao tontolo izao.

Na dia eo aza anefa izany famindrampo be dia be izany, izany fahafenoan'ny fitiavan'Andriamanitra izany, dia tsy mbola miraika ihany ny fon'ny olona maro, tsy mihontsona ary tsy taitra akory manoloana ny hamaroan'ny fahasoavan'Andriamanitra. Moa ve isika mitonona ho Kristianina tsy hanao ezaka hanapaka ny ozona nalefan'i Satana amin'ireny fanahy ireny? Avelantsika handeha amin'ny fahamafisam-pony ve izy ireny, tsy hanana an'Andriamanitra, tsy hanana fanantenana eto amin'izao tontolo izao? Tsia, na dia harabirabina sy lavina aza ny antso rehetra ataontsika, dia tsy azontsika atao ny mitsahatra tsy mivavaka ho azy ireo (...). Tsy maintsy manao izay azontsika atao isika, amin'ny alalan'ny fanampian'ny Fanahy Masin'Andriamanitra, mba hanesorana ny sakana mahatonga azy ireo tsy mandray ny fahazavan'ny fahamarinan'Andriamanitra. Tsy maintsy tadiavintsika izay fomba hanokafana ny masony hahatsapany ny fahajambany, mba hanafahana azy amin'ny famatoran' i Satana. — ST, 17 Jolay 1893. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal