Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaha marain-tsy hariva

Daty
Alarobia 05 November 2025

 "Koa amin 'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin 'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin 'ny vatolampy. " – Mat. 7:24.

Mofon’aina:
Aoka hotsaroan'ny mpianakavy amin'ny fianakaviana tsirairay fa mifamatotra akaiky amin'ny lanitra izy ireo. Liana manokana am i n' ny ankohonan' ny zanany eto an-tany ny Tompo. (...) Noho izany, aoka hisy vavaka akarina any an-danitra isa-maraina sy amin'ny ora mangatsiaky ny filentehan'ny masoandro ao amin' ny ankohonana tsirairay, hanehoana eo anatrehan'Andriamanitra ny fahamendrehan ' ny Mpamonjy. (...) —CG, t. 519. 

Mialoha ny handaozana ny tokantrano ho amin'ny asa, dia tokony hovoriana ny fianakaviana iray manontolo; ary tokony hitalaho mafy amin'Andriamanitra ny ray, na ny reny raha tsy eo ny ray, mba hiaro azy ireo mandritra ny tontolo andro. Manatôna an'Andriamanitra amim-panetren-tena, amin'ny fo feno halemem-panahy sy amin'ny fahatsapana ny fakam-panahy sy ny loza eo anoloanareo sy ny zanakareo; (...) angataho ho azy ireo ny fikarakaran'ny Tompo. Hiaro ny ankizy atokana ho an'Andriamanitra tahaka izany ireo anjely manompo. — TFC b. 1, tt. 397,398.

Endrey, sarobidy manao ahoana ny tokony hanangonan'ny ray sy ny  reny ny zanany eo aminy mialoha ny hisakafoana, mba hisaorana ny Ray any an-danitra noho ny fiarovany nandritra ny alina, sy hangatahana Aminy ny fanampiany sy ny fitarihany ary ny fitsinjovany mandritra ny tontolo andro! Rehefa tonga indray ny hariva, dia mivory eo anatrehany misaotra Azy izy ireo noho ny fitahiana narotsany nandritra ny tontolo andro lasa! — TFC, 7:43. 

Tsy tokony hivavaka tsindraindray ianareo, ka hanamaivana izany rehefa manana asa betsaka hatao amin'ny andro iray. Mitarika ny zanakareo handray ny vavaka ho tsy misy lanjany manokana ianareo amin'ny fanaovana tahaka izany. Midika zavatra betsaka ho an'ny zanak'Andriamanitra ny vavaka. — CG, t. 520.

Aoka tsy hohadinointsika mihitsy fa manana adidy eo anatrehan' Andriamanitra isika eo am-piantohana ny mety sy ny mendrika ary ny fahasambarana ho an'ireo vahinintsika. (...). Aoka mba tsy ho be reraka sy vanivany loatra ka reraka vao hiditra amin'ny oran'ny fotoam-pivavahana. Zary fanatitra mandringa no haterina eo anatrehan' Andriamanitra raha manao izany isika. - HHT, tt. 117,178 (np). 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal