Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mihavana amin'Andriamanitra

Daty
Alatsinainy 26 January 2026

"Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy." Jao. 14:23.

Mofon’aina:
Diniho ny fifandraisana ety izay ambaran'i Kristy eto fa ifandraisan'ny Ray amin'ny zanany. Mitoetra fa tsy mandalo ny fanatrehany sy ny fiarovany. Raha matoky ny herin'i Kristy mahavonjy isika, dia tsy hahavita hanimba antsika ny hafetsena sy ny paikady rehetra ampiasain'ny herin'ny ratsy. Miaraka amintsika mandrakariva ireo anjelin'ny lanitra, mitarika sy miaro antsika. Nataon'Andriamanitra ho azo antoka ny hananantsika ny herin'ny farn onjeny, mba hahafahantsika manatanteraka ny Sitrapony rehetra. Aoka isika hifikitra amin'ny teny fikasany ary hankamamy izany isa-minitra. (...)- RH, 7 Janoary 1909.

Azon'ny mpino atao (...) ny hanana fanandramana ampy izay hahatonga azy hihavana amin'Andriamanitra. Ny teny fikasana rehetra ao amin'ny Soratra Masina dia mandrisika antsika ho mpiray amin'ny fomban' Andriamanitra. Tahaka izao izany: miantehitra amin'Andriamanitra, mino ny Teniny, manao ny Asany; azontsika tanterahina izany rehefa fikirintsika ny maha Andriamanitra an' i Kristy.

Sarobidy noho ny harena rehetra eto an-tany izany tombontsoa izany (...). Rehefa fikirintsika ny hery nataon'Andriamanitra eo amin'izay hahatrarantsika azy dia mandray izao fanantenana mafy orina izao isika: azontsika atao ny miankina tanteraka amin'ireo teny fikasan'Andriamanitra. (...). - RH, 14 Janoary 1909.

Misy fenitra ambony natao hotratrarin'ny Kristianina. Azony atao ny manatratra fenitra ambony kokoa hatrany. Nanana fornba fijery ambony momba ny tombontsoa ananan'ny Kristianina i Jaona; hoy izy: "Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra." Jao. 3:1. Izany no fahamendrehana ambony indrindra mety ho tratran'ny olombelona. Nomena ny olona ny tombontsoa hahatonga azy ho mpandova an'Andriamanitra sy ho mpiara-mandova amin'i Kristy. Ho an'izay nasandratra ho amin'izany toerana izany no anehoana ny haren'i Kristy tsy hita lany, izay sarobidy lavitra noho ny haren'ny tany. Araka izany, amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Jesosy Kristy no anandratana ny olona mety maty ho amin'ny firaisana amin'Andriamanitra sy ny Zanany malalany. – SL, tt. 16, 17. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (43)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal