Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fifaliana sy fiononana

Daty
Zoma 08 May 2026

«Endrey ny hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!» - Sal. 119:103.

Mofon’aina:
Nomen'Andriamanitra antsika ny Teniny ho fanilon'ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika. Iankinan’ ny fahombiazan’izay rehetra mety ho fifandraisantsika amin'ny hafa eo amin'ny fiainana ny fampianarany. Na dia eo amin'ny raharaha ara-nofo ataontsika eto an-tany aza, dia ho mpitari-dalana hendry kokoa noho ny mpanolo-tsaina hafa rehetra izany. (...)

Mitombo araka ny andinihana sy ianarana azy ny fahatsapana ny lanjan'ny Baiboly. Na aiza na aiza dinihin’ny mpianatra, dia ho hitany miseho ny fahendrena sy ny fitiavan'Andriamanitra tsy manam-petra. Ho an'izay niova fo marina, ny Tenin'Andriamanitra no fifaliana sy fiononana eo amin'ny fiainany. Miteny aminy ny Fanahin'Andriamanitra, ary ny fony dia toy ny saha vonton-drano.

Tsy misy zavatra hafa natao hanatanjaka ny saina toy ny fianarana ny Baiboly. (...)

Tsy misy fahalalana miorina tsara, mandresy lahatra, ary mahataka-davitra noho izay azo avy amin'ny fianarana ny Tenin'Andriamanitra. Raha tsy nisy boky hafa teto amin'izao tontolo izao, ny Tenin'Andriamanitra ivelomana amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Kristy, dia hahatonga ny olona ho eto amin' ity tany ity, hanana toetra mendrika ny fiainana ho avy, dia ny fiainana mandrakizay. Izay mianatra ny Teny, mandray izany amim-pinoana ho fahamarinana, sy mampihatra izany ao amin'ny toetrany, dia ho tanteraka ao amin'i Kristy, Izay zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. Misaora an'Andriamanitra noho ireo soa maro nataony ho azo tanterahina ho an'ny olombelona.

"Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hanananisika ny fanantenana amin 'ny .faharetana sy ny fiononana avy amin 'ny Soratra Masina" – Rôm. 15:4.

 "Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin 'izany, mba hiseho amin 'ny olona rehetra ny fandrosoanao" - 1 Tim. 4:15.

"Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, amin’izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin 'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; fa ny tenin 'ny Tompo maharitra mandraki zay. Ary izany no tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo." - 1 Pet. 1:24,25.

 Ny fotoana lany amin'ny fianarana ny Tenin'Andriamanitra sy amin'ny fivavahana dia ho voaonitra avo zato heny. – RH, 11 Jona 1908. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal