Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahafahana ao amin'i Kristy 

Daty
Talata 19 May 2026

«Ho amin 'ny fahafahana no nanafahan,i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ny  zioga fanandevozana intsony.» - Gal. 5:1.

Mofon’aina: 
Nataon'Andriamanitra teo ambanin'ny lalana ny olombelona tany am-piandohana, ho fepetry ny fisiany. Teo ambanin'ny fitondran'Andriamanitra izy, ary tsy misy fitondrana raha tsy misy lalana. (...)

Mahefa ny zavatra rehetra, mahalala ny zavatra rehetra, ary tsy miova Andriamanitra. Mahitsy mandrakariva ny lalany. Fahamarinana ny lalany fahamarinana tsy miova, mandrakizay. Mifanaraka amin'ny toetrany ny didiny. Saingy asehon'i Satana amin'ny fomba diso izany (...). Nandritra ny fotoana rehetra nikomiany, dia nitady izay hanehoana an'Andriamanitra ho toy ny tsy marina, sy tsy refesi-mandidy i Satana. (...)

Vokatry ny tsy fankatoavan' i Adama dia mpandika lalana ny olombelona rehetra, namidy ho andevon'ny ota. Raha tsy mibebaka sy miova fo izy, dia eo ambany fanandevozan'ny lalana, mpanompon ' i Satana, voafandriky ny fitaky ny fahavalo, ary manao fanambarana manohitra ny didin'i Jehovah. Kanefa hamarinina kosa ny olona amin'ny fankatoavany tanteraka ny fitakian'ny lalana. Amin'ny alalan'ny finoana an' i Kristy irery ihany no mety hahatanteraka ny fankatoavana toy izany. Mety ho takatry ny olona ny maha ara-panahy ny lalana, mety ho fantany ny fahefany amin'ny maha mpanondro ny fahotana azy, saingy tsy mahatohitra ny hery sy ny fitak'i Satana izy ireo, raha tsy manaiky ny fanavotana atolotra azy ao amin'ilay sorona nataon'i Kristy Famonjena antsika, sy Fampihavanana antsika amin'Andriamanitra.

Ireo izay mino an'i Kristy sy mankato ny didiny dia tsy eo ambany fanandevozan'ny lalan'Andriamanitra; ho azy ireo, ny lalany dia tsy lalam-panandevozana, fa fahafahana. Izay rehetra mino an'i Kristy, miantehitra amin'ny hery fiarovana avy amin'ilay Mpamonjy nitsangana tamin'ny maty izay efa nandoa ny sazin'ny mpandika lalana, manohitra ny fakam-panahy, ary eo anivon'ny faharatsiana nefa maka tahaka ny modelin'ny fiainan'i Kristy, dia ho tonga mpiray amin'ny fomb an ' Andriamanitra amin 'ny alalan'ny finoana ny sorom-panavotana nataon'i Kristy, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay ao amin'izao tontolo izao noho ny filana. Izay rehetra mankato ny didin'Andriamanitra amin'ny finoana dia ho tonga amin'ny tsy fananan-tsiny, toa an'i Adama talohan'ny fahalavoany. – ST, 23 Jolay 1902.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal