Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fenoina ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra

Daty
Alakamisy 28 May 2026

Ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny,fahafenoan'Andriamanitra rehetra.» - Efes. 3:19.

Mofon’aina:
Izay mankato tanteraka sy tsy misy fepetra an'Andriamanitra ihany no mendrika ny fonenana any an-danitra. Fantatr'Andriamanitra fa tsy ho tsapantsika ny hasarobidin'ny fanomezany raha tsy milefitra tanteraka Aminy isika, ka manao izay anomezam-boninahitra Azy mandrakariva. ( ...)

Na manao ahoana na manao ahoana toe-po sy fironana nolovaina na fahazarana anananao, dia natao hovolavolaina araka ny ohatra avy any an-danitra ny toetra. Tsy misy fialan-tsiny azontsika atao raha mifikitra amin'ny ohatra sy ny endrika nofaritantsika ihany isika. Tsy afaka mitahiry ny «izaho» nefa sady hofenoina ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra isika. Tsy maintsy foanantsika ny tenantsika. Raha ho tonga any an-danitra isika amin'ny farany, dia satria nanda ny tenantsika ka nandray ny sauna amam-panahy ary ny sitrapon'i Jesosy Kristy. ( ...) Vonona ye isika handoa ny saran'ny fiainana mandrakizay?

Vonona handi-nika ye isika ka hanombantombana ny vidiny sy hamaritra raha mendrika ny hanaovana fahafoizan-tena toy izany ny lanitra, dia ny famonoana ny «izaho» sy ny fampileferana ny sitrapontsika hotefena hifandrindra tanteraka amin' ny sitrapon'Andriamanitra? Raha tsy mbola vita izany dia tsy hanandrana ny fahasoavan' Andriamanitra manova antsika isika.

Vantany vao manatona ny Tompo Jesosy ao anatin'ny fahafoanan'ny tenantsika isika mba hanao ny asany, dia hofenoiny amin'ny Fanahiny Masina ny banga ao anatintsika. Mahazo matoky isika fa homeny antsika ny fahafenoany. Tsy tiany ho very isika. Mihoatra noho ny fahamehan'ny filantsika an'Andriamanitra ny faniriany antsika hanokana ny momba antsika rehetra ho amin'ny fanompoana Azy. (...)

 Tsy misy fetra ny mandrakizay. Fohy ihany ny fiainantsika eto an-tarry (...). Koa ho amin'inona sy ho an'iza no ivelomantsika sy iasantsika? Ary inona no ho vokatr 'izany? 
Ilaintsika isan'andro ny fivavahan'i Jesosy Kristy. Voamarik'Andriamanitra avokoa izay rehetra ataontsika sy lazaintsika. Dinihin' izao tontolo rehetra izao sy ny anjely ary ny olona isika. (...) Natao haneho ny toetran'i Kristy ny fiangonany (...). Na nanana fironana tahaka antsika olombelona ihany aza Izy, dia tsy mba nilavo lefona teo anatrehan'ny fakam-panahy hanao fihetsika tsy madio, tsy manandratra, na tsy mahamendrika. — L. 27, 1892. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal