Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aza mamaly ratsy ny ratsy! 

Daty
Alakamisy 18 June 2026

"Tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin 'izany no niantsoana anareo mha handova fitahiana. "- 1 Pet. 3:9.

Mofon’aina: 
Miezaha mafy tsy hanome fahafaham-po ny fahavalo ka hamaly ny teny fanakianana na koa ho kivy eo anatrehan'izany. Aoka tsy hahomby aminao ny ezaky ny fahavalo. Dia hanakaiky anao ny Tompo, ary hanome anao fitiavana sy fiadanana ary fifaliana safononoka, izay lalina sy feno tokoa, ka na misehatra fitsapana aza ny finoanao, dia ho afaka hanao fanambarana feno fandresena ny amin'ny fahamarinan'ny teny fikasana ianao. Ho tsapanao ny fanatrehan'Andriamanitra. Hampahiratina ny sainao, ary ho hitanao mazava ny fahamarinana izay indraindray nanjavozavo taminao. Ho afaka hilaza ny tantaran'ny hazo fijaliana ianao, amin'ny fankasitrahana lalina ny fitiavan'ny Mpamonjy, satria efa nampiempo ny fonao izany fitiavana izany. Ho hita eo aminao sy eo amin'ny fiainanao andavanandro i Kristy ao anatinao, Izay fanantenana ny voninahitra.

 Banjino mandrakariva i Jesosy. Ento eo Aminy ny manahirana rehetra. Fantany tsara ny mahazo anao. Izy no fialofan'ny olony. Afa-doza izay eo ambanin'ny fiarovany. Aoka hino sy hatoky Azy. Hosakanany tsy hahazo anao ny mpandringana.

Aoka ho mamy sy feno hanitra ny rivo-piainana manodidina ny fanahinao. Raha miady amin'ny fitiavan-tena izay toetra mpahazo ny olombelona ianao, dia handroso hatrany amin'ny fiezahanao handresy ireo fironana ho amin'ny ratsy, na ny nolovaina izany na ny nokolokoloina. Amin'ny alalan'ny faharetana, ny fandeferana ary ny fiaretana no hahavitanao be. Tsarovy fa tsy mampietry anao ny teny tsy amim-pahendrena ataon'ny hafa, fa raha ianao kosa no manao izany, dia mampietry ny tenanao ka verinao ny fandresena izay tokony ho azonao. (...)

 Mitoera eo amin'izay ahafahan'ireo fahefana telo lehibe any an-danitra mampahomby anao — dia ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina. Miara-miasa amin'izay manolo-tena tanteraka ho an'Andriamanitra ireo hery ireo. Eo am-pelatanan'ny mpino an'Andriamanitra ny herin'ny lanitra. Ny olona izay manao an'Andriamanitra ho tokiny dia voahodidin'ny manda tsy hay ravana. – L, 1, 1904.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal