«Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra.» - Efes. 4:31
Mofon’aina:
Misy ireo izay mihevi-tena ho ambony mihoatra noho izay tokony hoheverina. Manaratsy ny rahalahiny izy ireo satria efa vita ilay asa ka mitsikera no ataony, milaza fa ho hafa kokoa no nataony raha izy no teo amin'ny toerana. Nefa tsy tsara noho ny an'ny rahalahiny akory no ho nataony raha izy no nomena ny asa. (…)
Aza mipetraka eo amin'ny toeran'ny mpitsara. Natolotra ny Zanak'Andriamanitra ny fitsarana rehetra (...). Miasa fatratra i Satana mitaona ny olona hanota amin'io lafiny io. Ireo izay malady manao fanakianana, ireo mailaka mametraka fanontaniana izay mampifoha hevitra sy fomba fijery miteraka fisaraham-bazana ao amin'ny olona, no misionerany (misioneran i Satana). (...) Toa mahita zavatra hokianina mandrakariva ireo olona ireo (...) Vonona mandrakariva hanao laza masaka hanitatra ny faharatsiana ny lelan'izy ireo. Akory ny halehiben'ny zavatra arehitry ny afo kely!
Aza avela hitsingoloka na hanitatra ny fahalemen'ny rahalahinao mihitsy ny lelanao sy ny feonao, satria ao amin'ny firaketana any an-danitra, dia mahakasika an'i Kristy ny mikasika ireo izay novidiny tamin'ny ran'ny tenany. Hoy Izy: "Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin 'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko." -Mat. 25:40. Tokony hianatra ny ho mahatoky amin'ny namany avy ny tsirairay, ka tsy hivadika amin'ny fiarovana ny rahalahintsika. Diniho ny fahalemenao manokana. Aleo ianao mahita fahadisoana iray eo aminao toy izay hahita folo eo amin'ny an'ny rahalahinao. Tsarovy fa i Kristy dia nivavaka ho an'ny rahalahiny, mba ho iray ihany izy rehetra tahaka ny maha iray Azy amin'ny Ray. Katsaho amin'ny herinao rehetra ny hifanara-tsaina amin'ny rahalahinao araka ny fomban'i Kristy, tahaka ny maha iray Azy amin'ny Ray. (...)
"Mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena" - 1 Pet. 3:8. Ny fitondrantena tsara sy marina dia tsy mita asongadina amin'ny fanehoana hevitra sy teny manaratsy na manambany ny hafa. Tsy tokony ho hita eo amin'ny zanak'Andriamanitra na ny fiarovana, na ny fifampiandaniana, na ny fanaratsiana, na izay rehetra mety ho tsy finoana. — Ms, 68, 1896.