" Koa amin’izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra. " Mat. 5:48
Mofon’aina:
Mba hankasitrahan’Andriamanitra ny famolavolantsika ny toetrantsika, dia tsy maintsy mandroso hatrany isika amin’ny lafiny ara-panahy. Tokony hataontsika tsinontsinona izay zavatra rehetra mampihena ny finoana sy ny fitokiantsika amin’Ilay Mpanavotra antsika. Arakaraka ny habetsaky ny fahazavana ao amin’ny fanahintsika no itakiana amintsika bebe kokoa ny hitaratra izany fahazavana izany amin’ny hafa. Fanirian’Andriamanitra ny hamirapiratan’ny fahazavanao eo amin’izao tontolo izao. Homem-boninahitra Izy amin’ny fanehoantsika tsirairay ny toetrany. (...)
Rehefa mitsahatra ao amin’ny fitiavan’i Kristy ianao, ka matoky Ilay Mpanavotra sy Mpanome fiainana mba hanatanteraka ny famonjena ny fanahinao, dia ho fantatrao, arakaraka ny anatonanao Azy akaiky kokoa, ny hevitry ny hoe “maharitra toy ny mahita Izay tsy hita”. Fanirian’Andriamanitra ny hahafa-po antsika amin’ny fitiavany. Sarobidy lavitra noho ny volamena sy ny volafotsy ary ny vatosoa ny fahafaham-po omen’i Kristy.
Hitombo hery sy fahatsarana ianao, na ara-batana, na ara-tsaina, na ara-panahy, raha manolo-tena hanatanteraka asa masina. Ataovy ny ezaka rehetra, ao amin’ny fahasoavan’i Kristy sy amin’ny alalany, mba hahatrarana ilay tanjona ambony napetraka eo anoloanao. Azonao atao ny ho tanteraka eo amin’ny sehatra misy anao, tahaka an’Andriamanitra Izay tanteraka eo amin’ny sehatra misy Azy. Moa ve tsy efa nilaza i Kristy hoe: "aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra" ?
Tsy natao ho mpandray fotsiny ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika ianao. Nametrahan’Andriamanitra talenta sarobidy ianao, ary takiny ny hampitomboana izany. Ny zanabola avy amin’ny renivola nampisamborina no anjarany. (...) Amin’ny fampileferanao ny sitraponao amin’ny sitrapony, dia hihatsara ny famoahanao hevitra sy ny fahatakaranao ara-panahy. (...)
Aoka harovanao tsara ny hery amam-pahaizan’ny sainao. Tokony hofehezin’ny Fanahy Masina ny eritreritrao. Ny asanao dia ny mandroso ho amin’ny fahatanterahana, mandra-pahatonga ny fotoana hilazana anao ho mendrika handray ny tsy fahafatesana. Ary na amin’izay aza, dia tsy hijanona ny fandrosoana fa hitohy mandritra ny mandrakizay. – L, 123, 1904.