Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fanatrehan’i Kristy.

Daty
Talata 30 June 2026

" Ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. ". Matio  28:20.

Mofon’aina:  Mahazo matoky tokoa isika fa raha mampilefitra ny sitrapontsika isan’andro amin’Andriamanitra, dia ho tanteraka ny teny fikasana hoe: "tamin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana." – Jao. 1:16. (...) Natao haneho ny fahasoavany eo amin’ny fiainantsika isika, eo amin’ny fisainana, ny teny, ary ny asantsika. (...) Natao haneho famindram-po, fitiavana, ary ny herin’i Kristy isika — ilay hery izay nomeny antsika. (...)

Tsy hanana hery isika raha tsy noho ny hery raisina amin’ny alalan’i Kristy. I Kristy kosa manana ny hery rehetra. Hoy Izy: "Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etÿ an-tany; koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra. (...) Ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” Izany no hery sy fampiononana antsika. (...) Izy no manampy amin’ny fanatanterahana ny adidy, mitari-dalana, mampahery, manamasina sy manohana, ary mampahomby ny teny lazaintsika izay hisarika ny sain’ny hafa ho amin’i Kristy, sy hampifoha ao aminy ny faniriana hahatakatra ny fanantenana sy ny hevitry ny fahamarinana, mampitodika azy ireo hiala amin’ny maizina ho amin’ny mazava. (...)

Mahavariana tokoa ny mieritreritra fa afaka manonona ny tenin’Andriamanitra ny olombelona, amin’ny alalan’ny teny tsotra feno fampiononana sy fampaherezana. Ny fitaovana tsotra indrindra no hampiasain’Andriamanitra hamafazana ny voan’ny fahamarinana— fiheverana feno hatsaram-panahy, teny mamy – izay mety hitsiry sy hamoa, satria i Jesosy Ilay niteny hoe: "Indro, Izaho momba anareo mandrakariva" no nampahomby izany tao am-pon’ilay namafazana azy.

Omena antsika koa ny teny fikasana ny amin’ny fanatrehan’i Kristy maharitra. Ny fahelan’ny fotoana dia tsy nanova na inona na inona ny amin’ny teny fikasana farany nataony. Azo antoka fa eto amintsika Izy ankehitriny, tahaka ny niarahany tamin’ny mpianatra fahizay, ary mbola homba antsika Izy "ambara-pahatongan’ny fahataperan ’izao tontolo izao. ”(...)

Hitany ireo olony mahatoky; mifandray amin’izy ireo Izy, mampahery sy manatanjaka azy. Ary irahin’Andriamanitra ireo anjeliny mahery indrindra, hanompo ny olombelona miasa ho Azy, mitory ny fahamarinana amin’izay tsy mbola mahalala. – TFC, b.8, t. 17.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (51)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal