"Izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany. Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza hianareo, raha tsy maintsy hisy izany." - 1 Pet. 1:5,6.
Mofon’aina:
Aza mihevitra fa tsy misy fakam-panahy ny fiainan'ny Kristianina. (...) Tsy maintsy handalo fizahan-toetra na ny Kristianina na izay tsy manaiky an'i Kristy ho Tompony. Izao no maha-samy hafa azy: manompo tompo lozabe sady manao ny asa ratsiny ireo izay tsy manaiky an'i Kristy; fa ny Kristianina kosa dia manompo Ilay nahafoy ny ainy mba hanome azy fiainana mandrakizay. Aza atao mahagaga ny fizahan-toetra, fa raiso ho toy ny fomba fanadiovana sy fanatanj ahana antsika izany. "Ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa ianareo." Hoy i Jakôba, "Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana." - Jak. 1:2,3.
Ho takatsika any amin'ny fiainana ho avy ny amin'ireo toe-javatra izay naha-very hevitra antsika tety. Ho hitantsika ny halehiben'ny herin'Ilay namonjy antsika, sy ny fomba nanirahana ny anjelin'Andriamanitra hiambina antsika teo am-panarahantsika ny tolo-tsaina avy amin'ny tenin'Andriamanitra.
Izay rehetra mandray Azy dia homen'i Kristy hery ho tonga zanak'Andriamanitra. Mpamonjy vonona mandrakariva amin'ny fotoana ilana ny fanampiany Izy. (...) Tsy afaka hanameloka afa-tsy ny tenany ireo izay resy noho ny tsy nanoherany ny fahavalo. Afaka mankeo amin'i Kristy avokoa izay rehetra misafidy hanao izany, ka hahazo ny fanampiana ilainy.
Eo aminao Ilay Mpanolo-tsaina mahery nandritra fotoana nifandirnby, manasa anao mba hatoky Azy tanteraka. Hiala Aminy ve isika ka hitodika amin'olombelona tsy azo antoka, izay tsy maintsy miankina amin'Andriamanitra tahaka antsika ihany? Tsy takatsika ve ny tombontsoa ananantsika? Tsy meloka ve isika satria kely fanantenana ary tsy mangataka amin'Andriamanitra izay iriny fatratra homena antsika? "Ny famindram-pon’i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an 'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben 'nyfahasoavana tamin 'ny taranak 'Isiraely. (..) Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy. Tamin'ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin 'ny tavany no namonjy ireo." — Isa. 63:7-9. — RH, 9 Jona 1910.