" Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao." Jao. 17:18.
Mofon'aina :
Moa ve mahatonga antsika tsy ho afaka hanao ny asa nanirahan’ny Tompo antsika ny fisarahantsika amin’izao tontolo izao noho ny fankatoavantsika ny didin’Andriamanitra? Manakana antsika tsy hanao ny tsara amin’ny manodidina antsika ve izany? Tsia, arakaraka ny ifikirantsika amin’ny lanitra no vao mainka ahombiazantsika amin’ny asa. Aoka isika handinika Ilay Modely mba ho ao amintsika ny saina izay tao amin’i Kristy koa. Tsy mba isan’ireo olo-malaza sy nomem- boninahitra teto amin’izao tontolo izao i Kristy. Tsy mba niaraka tamin’ireo nikatsaka harena sy fahafinaretana Izy. Niasa ho fanampiana ny sahirana Izy, namonjy ireo very sy efa ho faty, nampitraka ireo nitanondrika, namaha ny fatoran’ny fanandevozana, nampahery ireo mijaly, ary nanao teny feno fangorahana sy fampiononana ho an’ireo fadiranovana sy malahelo. Natao hanaraka izany ohatra izany isika. Arakaraka ny hananantsika ny toe-tsain’i Kristy no hitadiavantsika hanao soa ho an’ny mpiara-belona amintsika. (...)
Efa hikatona ny varavaram-pahasoavana (...). Tsy ho ela dia hotononina ny vavaka farany ho an’ny mpanota, hilatsaka ny ranomaso farany, homena ny fampitandremana farany, hatao ny fitalahoana farany, ary tsy ho re intsony ilay feo mamin’ny famindrampo. Izany no mahatonga an’i Satana hiezaka fatratra hihazona ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny fandriny (...). Ataon’i Satana izay hanesorana amintsika izay rehetra mety ho ara-panahy, ka ny fahasoavan’i Kristy ao am-pontsika dia soloany toetra ara-nofo – fankahalana, eritreri-dratsy, fialonana, fitiavana an’izao tontolo izao (...). Mila hery hiatrehana ny fahavalo isika (...) Raha tsy miambina sy mivavaka mantsy isika dia hanjaka ao am-pontsika sy handroaka ny tsara rehetra ao ireo zava-dratsy ireo. – RH, 2 Janoary 1900.
Tena lehibe ny andraikitra ankinina amin’ireo mpianatr’i Kristy. Tsy maintsy ataratra amin’izao tontolo izao rakotra haizina ny fahazavana avy any an-danitra. Arakaraky ny halehiben’ny haizina no tsy maintsy hamirapiratan’ny fahazavan’ny finoana sy ny oha-piainana kristianina. – RH, 23 Oktôbra 1888.