Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Finoana miasa

Daty
Talata 11 June 2024

"Ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy amin'ny finoana an 'i Kristy, dia ny fahamarinan 'Andriamanitra amin'ny finoana." - Fil. 3:9.

 Mofon'aina:
Tsara ny mamaky sy ny mampianatra Baiboly, fa tena   tsara koa ny mampihatra ireo foto-kevitra mitondra fiainana sy manamasina ao aminy, izay nambolena tao amin'ny fanahy (...). "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana." — Efes. 2:8. Tokony hobeazina haneho finoana ny saina fa tsy hikolokolo fisalasalana, na fiahiahiana, na fialonana. Matetika loatra ny sakana no raisintsika ho tsy fisiam-bahaolana intsony. Lesona sarotra ianarana tokoa ny mino ireo teny fikasan'Andriamanitra, ny mandroso amim-pinoana, ny manohy hatrany ka tsy fehezin'ny toe-java-mitranga. Saingy lesona tsara ianaran'ny zanak'Andriamanitra tsirairay izany. Natao hohazonintsika mandrakariva ny fahasoavan'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy; nomena antsika mantsy izany ho hany fomba ahazoantsika manatona an'Andriamanitra. (...)

Ny finoana resahina ao amin'ny Tenin'Andriamanitra dia foto-kevitra miasa sy velona eo amin'ny fiainana. Sitrapon'Andriamanitra ny hanatanterahana ny finoana an'i Kristy amin'ny alalan'ny asa; ampifandraisiny amin'izany asa izany ny famonjena sy ny fiainana mandrakizain'ireo mino, ary amin'ny alalan'izany asa izany no ielezan'ny fahazavan'ny fahamarinana any amin'ny firenena rehetra sy ny mponina rehetra. Io no vokatry ny asan'ny Fanahin' Andriamanitra.

Amin' ny alalan'ny fitandremantsika ny didin ' Andriamanitra no anehoantsika ny finoantsika Azy. Miseho amin'ny teny sy ny asa mandrakariva ny finoana. (...) Ny fiainana voavolavolan'ny finoana dia ahitana fahavononana handroso, handroso hatrany amin'ny fanarahana ny dian'i Kristy. (...) Izay manana finoana marina an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana dia hahita fa miasa amin'ny fomba mazava ho azy ny finoany. Finoana miasa ny finoany (...). Tsy mahay mamorona finoana isika, saingy azontsika atao ny miara-miasa amin'i Kristy amin'ny fampitomboana sy fampandresena ny finoana. 

Ny finoana izay miasa amin'ny alalan'ny fitiavana dia manadio ny fanahy ary mamoa fanetren-tena, faharetana, fandeferana, fahari-po, fiadanana, fifaliana, ary fankatoavana an-tsitrapo. — HP, t. 109.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (33)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal