Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Kristy, mameno ny fisainantsika manontolo 

Daty
Zoma 14 June 2024

"Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro. Ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin'ny làlana mandrakizay aho." - Sal. 139:23,24. 

Mofon'aina:
Vitsy ihany no mahatsapa fa adidiny ny mifehy ny fisainana sy ny fieritreretana. Sarotra ny mihazona ny saina tsy voataiza hifantoka amin-javatra mahasoa. Rehefa tsy ampiasaina araka ny tokony ho izy anefa ny eritreritra, dia tsy ho afaka hiaina ao amin'ny fanahy ny fivavahana. Tsy maintsy ampiasaina amin'ny zavatra masina sy maharitra mandrakizay ny saina, fa raha tsy izany izy dia hankafy ireo eritreritra manidina sy haitraitra fotsiny. Tsy maintsy tezaina ireo herin'ny saina sy ireo hery ara-pitondran-tena, ka ny fanazarana azy no hanatanjaka sy hanatsara azy.

Mba hahatakarantsika tsara izany lohahevitra izany, dia aoka tsy hohadinointsika fa ny fontsika dia manana fironana ratsy, ary tsy haintsika, raha isika samirery, ny manaraka ny lala-marina. Ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany, akambana amin'ny ezaka tsara indrindra vitantsika, no ahafahana mahazo ny fandresena. Samy tsy maintsy atokana ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra na ny saina na ny fo. (...)

Vitsy ihany no mino fa tena latsaka ambany tokoa ny olombelona ary tena ratsy tanteraka ka manohitra an'Andriamanitra. (...) Rehefa tsy fehezin'ny Fanahin'Andriamanitra mivantana ny fanahintsika dia volavolain'i Satana ho araka izay tiany. Ny saina rehetra eo ambany vahohony dia ovany ho ara-nofo; manohitra mivantana an'Andriamanitra izy amin'ny fironany, ny heviny, (...) ny safidiny sy ny asany. Izay zavatra tian'Andriamanitra sy ankasitrahany, tsy tiany, fa izay halan'Andriamanitra no ahitany fahafinaretana (...).

Raha mitoetra ao am-po i Kristy, dia hameno ny fisainantsika manontolo Izy. Izy sy ny fitiavany ary ny fahadiovany no hosaintsainintsika lalina. (...) Hifantoka amin'i Jesôsy ny fitiavantsika. Izy no ho fanantenantsika sy handrandraintsika amin'ny zavatra rehetra. Ny mivelona amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra eto amin'ity fiainana ity, ny manantena sy tia ny fisehoany, no ho fifalian'ny fanahy ambony indrindra. (...)

Ireo izay nanazatra ny sainy hiravoravo amin'ny zava-panahy no ho azo afindra any an-danitra ka tsy hahafaty azy ny fahadiovana sy ny halehiben'ny voninahitry ny lanitra. —HP, t. 163. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (39)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal