Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Velona ho an'ny hafa

Daty
Alakamisy 20 June 2024

"Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro." — Mat. 20:28. 

Mofon’aina:
Tsy natao hivelona ho an'ny tenantsika isika. Velona ho _ an'ny hafa i Kristy fony Izy teto amin'izao tontolo izao — tsy tonga hotompoina Izy fa hanompo. Raha miezaka miaina eto an-tany tahaka ny niainan'i Jesôsy ianao dia milaza amin'izao tontolo izao hoe: "Banjino Ilay Lehilahin' i Kalvary." Mitarika ny hafa ho eo amin'ny lalan'ny fahamarinana ianao amin'ny alalan'ny foto-kevitra sy ny ohatra asehonao.

Ny fahotana kolokoloina indrindra, izay mampisaraka antsika amin' Andriamanitra sy mahatonga areti-mifindra ara-panahy maro, dia ny fitiavan-tena. Tsy misy fomba hitodihana amin'Andriamanitra afa-tsy amin'ny alalan'ny fandavan-tena. Tsy mahavita na inona na inona isika raha amin'ny herin'ny tenantsika; fa afaka ny ho velona mba hanao soa ho an'ny hafa kosa amin'ny alalan'Andriamanitra izay mampahery antsika, ka ho afa-miala amin'ny haratsian'ny fitiavan-tena. Tsy mila mankany amin'ny tanin'ny mpanompo sampy isika mba hanehoana amin'Andriamanitra ny fanoloran-tenantsika hanana fiainana manampy ny hafa sy tsy tia tena. Ao an-tokantrano, ao am-piangonana, ary ireo namana sy ny mpiara-miasa amintsika no tokony hanaovantsika izany. (...)

"Maty isan'andro aho", hoy i Paoly — 1 Kôr. 15:31. Ny fahafatesan'ny "izaho" isan'andro eo amin'ny raharaha madinika atao eo amin'ny fiainana no mahatonga antsika ho mpandresy. (...)

Mibaiko mazava ny mpanara-dia Azy rehetra Andriamanitra mba hanao soa amin'ny hafa amin'ny alalan'ny hery miasa mangina ananany sy ny fahafaha-manaony. (...) Ahazoana fahafaham-po sy fiadanana mamy ao am-po ny fiasana ho an'ny hafa, ary valisoa ampy tokoa izany. (...) Tsy eto an-tany ihany io valisoa io fa mihoatra noho izany; voamariky ny anjely sy mamirapiratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana mantsy ny adidy tsirairay atao amim-pahatokiana sy tsy amim-pitiavan-tena. Tsy hisy olona hihevitra ny tombontsoan'ny tenany na hitady izay mahafinaritra azy fotsiny any an-danitra. Ny hahasambatra ireo mponin'ny lanitra manodidina azy no hokatsahiny. Raha tiantsika ny hiara-paly amin'ireo mponin'ny lanitra ireo any amin'ny tany vaovao, dia ny fitsipiky ny lanitra no tsy maintsy mifehy antsika dieny ety. - HP, t. 233. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (33)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal