Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fomba tokana hahazoana fandresena.

Daty
Alakamisy 11 July 2024

« Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman’alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny lalanao hianao sady hambinina. »Jos. 1:8. 

Mofon’aina:   
Rehefa mandeha eo amin’ny lalana izay nosoritan’Andriamanitra ho azy ny olona, dia hahita mpanolo-tsaina izay manana ny fahendrena ambony lavitra noho ny fahendren’olombelona izy. I Josoa dia mpitari-tafika hendry satria Jehovah no mpitarika azy. Ny sabatra voalohany nampiasainy dia ny sabatry ny fanahy, Tenin’Andriamanitra (...)

Izany no niseho satria ny hery miasa mangina lehibe indrindra dia tsy maintsy nitarika ny filamatry ny fahamarinana ka ny Tompo tao amin’ny famindram-pony no niaro azy tsy hivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia. Tsy maintsy nanaraka ny lalan’ny fahatokiana hentitra izy ... Raha tsy nisy loza teo anoloan’i Josoa, dia tsy ho nataon’Andriamanitra ho ilay be herim-po izy. Kanefa teny an-dalana rehetra, dia nanana an’Andriamanitra nitarika azy i Josoa.

Tsy misy zava-doza mihoatra noho ny fiheveran’ny olona fa rehefa misy zava-tsarotra dia afaka mahita mpitarika hafa noho Andriamanitra izy, izay mpanolo-tsaina Hendry Indrindra amin’ny loza tampoka, mpiaro mahery amin’ny fisehoan-javatra rehetra (...)

Manana asa lehibe tanterahina eto amin’ity tontolontsika ity ny Tompo. Ho an’ny olona rehetra no nanolorany ny asany mba hotanterahina, saingy tsy azo atao ny manao olona ho mpitarika olona, andrao ho voafitaka izy eo amin’ny toerana tsy azo antoka. Rehefa miseho eo amin’ny filamatry ny asa sy ny fanompoana ny fivavahana ara-Baiboly dia miseho avy hatrany ny filana fahendrena isan’andro avy amin’Ilay Loharanon’ny fahendrena rehetra. Inona no fandresen’i Josoa? Tsy maintsy mandinika ny Soratra Masina andro aman’alina. Tonga tamin’i Josoa ny tenin’i Jehôvah talohan’ny nitana an’i Jordana (...)

Ireo izay eo amin’ny toeran’ny mpanolo-tsaina dia tsy maintsy ho olona tsy tia tena, olon’ny finoana, olon’ny vavaka, olona izay tsy sahy mametraka ny fitokiany eo amin’ny fahendren’olombelona, fa mitady mandrakariva fahazavana sy fahaizana toy ny fikatsahana izay tsara indrindra hampandroso ny asany. I Josoa ilay mpitarika ny Isiraely dia nitady fatratra ireo boky izay nanoratan’i Mosesy tamim-pahatokiana ny tari-dalana rehetra avy tamin’Andriamanitra, ireo zavatra takiny, fananarana sy torolalana (...) Raha tsy izany dia ho nizotra tsy nisy mpanoro hevitra izy. – CC, t. 116.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (35)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal