Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

I Daniela, ambasadaoron'Andriamanitra

Daty
Talata 23 July 2024

"Koa ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an'i Daniela ny amin'ny fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy" - Dan. 6:5. 

Mofon’aina:
I Daniela, ilay praiminisitra teo amin'ny fanjakana lehibe indrindra teto an-tany, dia mpaminanin'Andriamanitra ihany koa, sady nahazo ny fahazavan'ny tolo-tsaina avy any an-danitra. Olona manana firehetam-po tahaka antsika ihany izy, kanefa mamaritra azy ho olona tsy manan-tsiny ny penina notarihin'ny tsindrimandry. Rehefa nodinihan'ireo fahavalony akaiky ny fitantanany ny raharahany, dia hitany fa tsy nisy hanatsiniana azy izany. Mety ho tonga toa azy koa rehefa mety ho mpandraharaha rehetra rehefa voaova sy voamasina ny fony ary marina eo anatrehan'Andriamanitra ny antony manosika azy. (...)

Tsy azo nohozongozonina tamin'ny fahatokiany tamin'Andriamanitra i Daniela, ary tsy goragora tamin'ny fifehezany tena. Tamin'ny alalan'ny fahamendrehana ambony nananany sy ny fahatokiany tsy azo nohozongozonina, na dia vao zatovo ihany aza izy, no nahitany "fitia sy famindram-po" tamin'ilay tandapa jentilisa nikarakara azy. (...) Vetivety foana dia tonga teo amin'ny toeran'ny praiminisitra teo amin'ny fanjakan'i Babilôna izy. Nandritra ny fotoana rehetra nifandimbiasan'ireo mpanjaka, sy naharavan'ny firenena, ary nitsanganan'ny fanjakana iray vaovao teo amin'izao tontolo izao, dia nampiseho fahendrena fatratra sy fahaizana tsara ny asany teo amin'ny fitondram-panjaka izy (...).

Nomen'ny olona voninahitra i Daniela tamin'ny nampiandraiketana azy ny fanjakana sy ny tsiambaratelon'ireo fanjakana nifehy izao rehetra izao. Nomen'Andriamanitra voninahitra koa izy amin'ny maha-ambasadaorony azy, ka nomeny fanambarana maro momba ny zava-miafin'ireo taona ho avy. Ireo faminaniana mahatalanjona nosoratany ao amin'ny toko faha-7 sy 12 amin'ilay boky mitondra ny anarany, dia tsy nazava tanteraka na dia taminy amin'ny maha-mpaminany azy aza; kanefa mialoha ny nifaranan'ny asany teo amin'ny fiainany dia nomena toky mahafinaritra izy fa "amin'ny andro farany" amin'ny fotoana famaranana ny tantaran'ity izao tontolo izao ity — dia havela hitsangana ho ao amin'ny anjarany indray izy. (...)

Koa dia azo atao ny hivelona toa an'i Daniela sy ny namany ho amin'izay marina sy mendrika ary maharitra. Ary raha mianatra ireo fitsipiky ny fanjakan'ilay Tompo sy Mpamonjy antsika isika eto amin'ity fiainana ity, dia ho voaomana amin'ny fiaviany ka hiditra miaraka Aminy ho ao amin'ny fifaliany. — CC, t. 254. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal