Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Amintsika Andriamanitra 

Daty
Alahady 04 August 2024

"(...) Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra." — Mat. 1:23. 

Mofon’aina:
Hatramin 'ny andro fahagola dia efa iray tamin'ny Ray i Jesôsy Kristy Tompo; " Endrik 'Andriamanitra Izy" tamin'izany, endriky ny fahalehibeazany sy ny fiandrianany, `famirapiratan' ny voninahiny". Hampiseho io voninahitra io no nahatongavany teto amin'izao tontolo izao misy antsika. Tonga teto amin'ity tany nohamaizinin’ny  fahotana ity Izy mba haneho ny fahazavan'ny fitiavan'Andriamanitra, mba ho "amintsika Andriamanitra". (...)

Ity izao tontolo izao kely ity no boky fianaran'izao rehetra izao. Ny fikasan' Andriamanitra mahagaga ny amin'ny fahasoavana, ny zava-miafin'ny fitiavana manavotra no lohahevitra "tian'ny anjely hodinihina", ary hianarany mandritra ny fotoana tsy manam-pahataperana. Ny voavotra sy ireo voary tsy tratry ny fahalavoana dia samy hahita "siansa" ho azy sy tonon-kira hoventesiny ao amin'ny hazo fijalian'i Kristy. Ho hita fa ny voninahitra izay mamirapiratra eo amin'ny tavan'i Jesôsy dia voninahitry ny fitiavana manao sorona ny tenany (...); fa ao am-pon'Andriamanitra ny loharanon'ny fitiavana "tsy mitady ny azy". (…)

 Azon'i Jesôsy natao ny nijanona teo anilan'ny Ray. Azony natao ny nitahiry ny voninahitry ny lanitra, sy ny fankalazan'ny anjely. Nefa nifidy ny namerina ny tehim-panjakana teo am-pelatanan'ny Ray Izy (...) mba hahazoany mitondra fahazavana ho an'izay rakotry ny haizina sy fiainana ho an'izay mila ho faty. (...)

 Efa naseho mialoha tamin'ny alalan'ny aloka sy ny tandindona io fikasana lehibe io. Ilay roimemy nirehitra, izay nisehoan'i Kristy tamin'i Mosesy, dia nanambara an'Andriamanitra. (...) Nanarona ny voninahiny tao amin'ny tandindona ambany indrindra Ilay Andriamanitra be famindrampo, mba hahazoan'i Mosesy mibanjina izany nefa ho velona. Toy izany koa, tao amin'ilay andri-rahona nony andro sy ny andri-afo nony alina, no nitenenan'Andriamanitra tamin'ny Isiraely, ka nanehoany ny sitrapony tamin'ny olombelona, ary nizarany ny fahasoavany taminy. Nampileferina ny voninahitr'Andriamanitra ary nosaronana ny fiandrianany, mba hahazoan'ny maso kely herin'ny olombelona voafetra mibanjina izany. Toy izany koa no nahatongavan' i Kristy tamin'ny "tenan 'ny fietren-tenantsika" - Fil. 3:21, "nanam-pitoviana tamin'ny olona".(...)Nosaronana ny voninahiny, nafenina ny fahalehibeazany sy ny fiandrianany mba hahazoany manatona akaiky ny olona malahelo sy alaim-panahy. — GAG, t. 45. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (33)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal