Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Loharanon'ny famindrampo sy fahasoavana

Daty
Alakamisy 08 August 2024

 "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao." — Sal. 45:6

Mofon’aina:
Na dia efa eo anatrehan' Andriamanitra aza i Jesôsy ankehitriny ka miara-mipetraka Aminy eo amin'ny seza fiandrianan'izao rehetra izao, dia tsy niova ny toetrany be famindrampo. Mbola mitsinjo ny fahoriana rehetra manjo ny olombelona ilay fony be fitiavana sy mangoraka ankehitriny. Mbola mitsotra mba hitahy bebe kokoa ny vahoakany eo amin'izao tontolo izao ny tanany izay nofantsihana. (...)

Manana Mpamonjy mahery isika amin'ny fotoan-tsarotra rehetra lalovantsika. Tsy navelany ho irery isika eo am-piadiana amin'ny fakam-panahy sy ny devoly (...). Na dia tsy hitan'ny mason'ny olombelona mety maty aza Izy ankehitriny, dia afaka mandre ny feony kosa ny finoana manao hoe: "Aza matahotra fa momba anao Aho", "Izaho (..) Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay (..)." — Apôk. 1:18.

 Izay manaisotra ny fahotana ao am-pony ka manatsotra ny tanany amin'Andriamanitra amim-pitalahoana mafy dia hahazo fanampiana izay Andriamanitra irery no mahay manome azy izany. Efa naloa ny onitra nanavotana ny fanahin'ny olona mba hahatonga azy ho afaka amin'ny gadran'ny fahotana sy hahazo famelan-keloka sy fahadiovana ary ny lanitra. (...) Izay manatona matetika eo amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoavana ka manandratra vavaka mafana amin'ny fo mba hahazo fahendrena sy hery avy amin'Andriamanitra, dia hanjary mpanompon'i Kristy mavitrika sy mahasoa. Mety tsy hanan-talenta be izy, kanefa noho ny fony feno fanetren-tena sy miantehitra tanteraka amin'i Jesôsy dia afaka manao asa tsara amin'ny fitaomana fanahy ho eo amin'i Kristy. (…)

An'arivony no diso hevitra momba an' Andriamanitra sy ny toetrany. (...) Andriamanitra dia Andriamanitry ny fahamarinana. Ny rariny sy ny famindram-po no mampiavaka ny seza fiandrianany. Andriamanitra fitiavana Izy, feno antra sy be famindrampo. Toy izany no anehoana Azy ao amin'ny Zanany, Ilay Mpamonjy antsika. Be fahari-po sy fandeferana Izy. Raha tahaka izany ny Andriamanitra iankohofantsika sy tiantsika hotahafina, dia mivavaka amin'Ilay Andriamanitra marina tokoa isika. 

Raha tena mpanara-dia an'i Kristy isika dia hisandratra eo anatrehan'ny Ray toy ny fofo-manitra ny fahamarinan'i Kristy, izay atafy antsika. — GAG, t. 77. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (33)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal