Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Irery

Daty
Talata 13 August 2024

"Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin'ny firenena na dia iray akory aza." — Isa. 63:3. 

Mofon’aina:
Nandritra ny fahazazany, ny fahatanorany sy ny naha-lehibe Azy dia nanirery i JesOsy. Tamim-pahadiovana sy toetra mahatoky no nanosihoseny ny famiazam-boaloboka irery, fa tsy mba nisy niaraka taminy ny avy tamin'ny firenena na dia iray akory aza. Nitondra ny andraikitra mavesatra sy tsy zakan'ny aina ho famonjena ny olona Izy. Fantany fa raha tsy misy fiovana hentitra eo amin'ny foto-kevitra ijoroana sy ny zava-kendren'ny taranak'olombelona, dia ho very ny rehetra. (... ) 

Tsy takatry ny reniny sy ny rahalahiny ny asa nanirahana Azy. Na dia ny mpianany aza tsy nahafantatra Azy. Nitoetra teo amin'ny fahazavana mandrakizay Izy, tamin'ny maha-iray Azy amin' Andriamanitra, fa ny fiainany teto an-tany kosa dia tsy maintsy holaniny amin'ny maha-manirery Azy (...). Tsy maintsy mahatsapa ny henatry ny fahotana Ilay tsy manana ota. Tsy maintsy mivelona eo afovoan'ny adilahy Ilay tia fiadanana, tsy maintsy mitoetra eo amin'ny lainga Hay marina, eo amin'ny fahalotoana sy eo amin'ny mahavoafady Hay fahadiovana. Ny fahotana rehetra, ny tsy fifanarahana rehetra, ny filana mandoto rehetra izay nentin'ny fandikan-dalana, dia fahoriana ho an'ny saina amam-panahiny. 

Izy irery no tsy maintsy mizotra amin' flay lalana; Izy irery no tsy maintsy mitondra ny enta-mavesatra. Izy Izay efa nandao ny voninahiny, ka nanaiky ny fahalemen'ny taranak'olombelona, Izy no tsy maintsy nanankinana ny fanavotana an'izao tontolo izao. Hitany sy tsapany izany rehetra izany, nefa nitoetra tsy azo nohozongozonina ny fikasany. Niankina tamin'ny sandriny ny famonjena ny taranaka lavo, ka natsotrany ny tanany hamikitra amin'ny tanan'Ilay Fitiavana mahefa ny zavatra rehetra. (...)

Vitsy ihany anefa no tena mahatakatra ka afaka mankasitraka izay rehetra nataon'i Kristy ho azy. Raha takatr'izy ireo tokoa izany dia hiseho ny fitiavana lehibe tahaka ny an'i Maria (Mat. 26:6-13). (...) Haidina tsy misy fameperana ny menaka manitra sarobidy (...). Tsy hisy zavatra lafo vidy loatra ka tsy azo omena an'i Kristy; tsy hisy fandavan-tena na fahafoizan-tena lehibe loatra ka tsy azo iaretana noho ny fitiavana Azy. — GAG, t. 163. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (33)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal