Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpananatra tahaka an’i Kristy

Daty
Zoma 16 August 2024

 "Fa izaho milaza ny marina aminareo: mahatsara anareo ny fialako; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra,- fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho ad, aminareo lzy." Jao. 16:7. 

Mofon’aina:
Ny Mpananatra izay nampanan-tenain'i Kristy fa hirahiny aorian'ny hiakarany any an-danitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra Telo Izay fray ao anatin'ny fahafenoany, izay hampiharihary ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra amin'ireo rehetra mandray sy mino an'i Kristy amin'ny maha-Mpamonjy ny tenany manokana Azy.

Na aiza na aiza misy ny mpanompon' Andriamanitra voahosotra, dia mitoetra eo anilany ny Fanahy Masina. Ny teny nambara tamin'ireo mpianatra dia ho antsika koa. (...)

Tsy misy Mpananatra tahaka an'i Kristy, Izay malemy fanahy sy marina. Mandona ny fony ny fahatsapana ny fahoriantsika. (...) Noho ny toe-java-mitranga dia mety ho tafasaraka amin'ny namantsika isika (...). Na dia mahatoky aza ny fitiavan'ireny namana ireny dia mety tsy ho afaka hanaporofo izany izy (...). Kanefa tsy misy toe-javatra na elanelana mahasaraka antsika amin'Ilay Mpananatra avy any an-danitra. Eo mandrakariva Izy na aiza na aiza misy antsika, na aiza na aiza alehantsika, Izy Ilay nomena ho solon'i Kristy, Ilay miasa eo amin'ny toerany. Eo ankavanantsika mandrakarika Izy, manao teny mamy manamaivana ny fahoriana, mampionona, manohana, mihazona, sy mampahery. Ny herin'ny Fanahy Masina dia ny fiainan' Kristy ao amin'ny fanahy. Miasa ao amin'izay rehetra mandray an'i Kristy sy amin'ny alalany ny Fanahy. Izay mahalala fa mitoetra ao anatiny ny Fanahy dia hitondra ny vokany — fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana. 

Mitoetra mandrakariva ao amin'ireo izay mikatsaka ny fahatanterahan'ny toetra kristianina ny Fanahy Masina. Izy no manome fisainana madio, foto-kevitra velona sy miasa, izay manohana ireo fanahy mitolona sy mino, isaky ny tojo fotoan-tsarotra sy fakam-panahy izy ireo. Ny Fanahy Masina no manohana ny mpino eo anivon'ny fankahalan'izao tontolo izao, eo anatrehan'ny tsy fankasitrahan'ny havan-tiana, manoloana ny fahadisoam-panantenana, ao anatin'ny fahatsapana fa feno tsy fahatanterahana sy fahadisoana ny fiainany. Azo antoka ny fandresena ho an'izay miantehitra amin'ny fahadiovana tsy manam-paharoa sy ny fahatanterahan'i Kristy, sy mibanjina Ilay Tompo sy Mpanefa ny finoantsika. - GAG, t. 195. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (33)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal