Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ho an'ny kanosa sy ny kely hery ary ny marefo

Daty
Alarobia 04 September 2024

"Matokia an 'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana." - Sal. 37:3. 

Mofon’aina:
Matokia an'i Jehovah." Ny andro rehetra dia samy misy fahoriana, fanahiana ary fahasahiranana ao aminy avy, hany ka rehefa sendra tafahaona isika, dia vonona miaraka amin'izay hiresaka ny fahasahiranana sy ny zava-manjo antsika. Manjary tafiditra ny fahoriana sy ny tahotra be, ary (...) velon'eritreritra sy ahiahy ny olona izay mandre antsika, ka manjary mihevitra fa tsy manana Mpamonjy be indrafo sy feno fitiavana izay vonon-kihaino ny fangatahana rehetra ataontsika isika (. • .). 

Matahotra sady mihorohoro lalandava ny olona sasany. Isan'andro vaky izao izy dia hodidinin'ny zava-mampiseho ny fitiavan'Andriamanitra, ary mifaly amin'ny hatsaran'ny fitondrany, nefa hamaivaniny izany fitahiana hita maso izany. Ny sainy dia miorina lalandava amin'ny zavatra tsy mahafinaritra izay atahorany ho tonga, na fahasahiranana izay mety hisy tokoa, izay na dia kely ihany aza, dia mahajamba ny masony amin'ny zavatra maro tokony hahabe fisaorana. Ny fahasahiranana izay mihatra aminy, dia tsy mba mampanatona azy an'Andriamanitra (...) fa vao mainka 
mampisaraka azy Aminy kosa, satria mainka mahatonga tsy fahatokiana sy fimonomononana aminy ireny.

 Ranadahy sy rahava:vy, tokony haneho tsy finoana tahaka izany ve isika? Nahoana moa isika no tsy hankasitraka sy haneho tsy fitokiana? Sakaizantsika i Jesôsy. Maniry ny hahasambatra antsika ny lanitra manontolo; ary mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra ny tebiteby sy ny tahotsika. (...) Tsy tokony hisy toerana homena izany tsy fitokiana an'Andriamanitra izany, izay mitarika antsika hanao ho laharam-pahamehan'ny fiainana ny fiomanana ho amin'ny fahasahiranana ho avy, toy ny hoe ao amin'ny zavatry ny tany no misy ny fahasambarantsika (...).

 Angamba very hevitra amin'ny raharaha ianao, mihamaizina ny fanantenanao, ary matahotra ny fatiantoka ianao. Na izany aza, aza kivy, apetraho amin'Andriamanitra ny fanahianao (...). Mangataha fahendrena mba hanaovanao ny raharahanao araka izay mety, dia tsy hisy fatiantoka sy faharavana (...). Efa nampanantena hanampy i Jesôsy raha mety miezaka isika. - TDG, t. 42. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (33)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal