Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vohay ny varavarankelin'ny fanahy

Daty
Zoma 06 September 2024

"Mitadiava an 'i Jehovah sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany." - 1 Tant. 16:11. 

Mofon’aina:
Izao ankehitriny izao indrindra no fotoana tokony hamohantsika ny varavarankelin'ny fanahy ho an'ny lanitra ary hanidiantsika ireo varavarankely mampitodika antsika amin'ny zavatry ny tany. Izao no fotoana tokony hilazan'ny mambran'ny fiangonana rehetra hoe: "hakatoko ny foko tsy hidiran'ny zavatra rehetra izay mety hanembantsembana ny firaisako amin' i Kristy (...)." 

Ilain'ny mpino ny miresaka amin' Andriamanitra momba ny ilany manokana ny Fanahy Masina. Aoka ny Tenin'Andriamanitra no ho antoka ho azy ireo. Ny lanitra manontolo no manasa antsika handray ny taratra mamirapiratr 'ilay Masoandron'ny Fahamarinana ho ao amin'ny fiainantsika. Raha miresaka momba ny finoana sy ny fanantenana ary ny herim-po isika, dia hatanjaka ny fanahintsika, ary hitombo ny fanantenana sy ny herim-po ary ny finoantsika. Aoka hokatsahintsika izany fanomezan-dehiben'ilay Masoandron' ny Fahamarinana izany, mba hamirapiratany eo amin'ny fiainantsika ka hiampitany amin'ny hafa. Andeha isika hitady ny Tompo mba hianarantsika ny fomba hanatontosana ny asany eto an-tany. Hahatonga antsika ho misiônera mahomby izany (...). 

Aoka tsy hatao tsirambina ireo zavatra madinika, eo amin'ny fanompoantsika ny Tompo. Toy ny lamba tenomina ny fiainan'ny olombelona tsirairay avy, koa raha tontosa sy lavorary ny lamba iray dia satria nampiasainatamim-pitandremana fatratra sy tamim-pahatokiana ny kofehy tsirairay. Ny fahasoavan' i Kristy no hahazoantsika manenona tsara sy amim-pahakingana. lsan'andro no tokony hanaovantsika ezaka manokana mba hahatonga antsika hihatsara. Tokony hampiasaintsika isan'andro ny fahalalana amin'ny maha-Kristianina antsika eo amin'ny asa fanatanj ahana ny malemy sy fampaherezana ireo kivy. Fizahan-toetra lehibe no hihatra amin'ny fanahy tsirairay. Moa ve isika tsy hiasa, hiambina sy hivavaka ary hidera ny Tompo? (...) Betsaka tokoa ny zavatra verin'ny mpino maro noho ny fanaovany an-tsirambina ny fikatsahana ny Tompo amin'ny fo tokoa sy amin'ny finoana tsy azo hozongozonina.

Hiteraka finoana ao am-pon'ny hafa ny teny ambara sy ny asa atao amim-pahatsorana sy amim-panetren-tena (...). Tokony hianatra hiteny amin'ny fahalemem-panahin' i Kristy isika, ary tokony hiseho eo amin'ny asantsika sy ny toe-tsaintsika fa manompo ny Tompo isika. - TDG, t. 75. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (33)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal