Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

AO ANATIN'NY ANTSOANTSO MAHERY, METY HO RE VE NY BITSIBITSIKA?

Daty
Alatsinainy 29 July 2024

Vakio ny Mar. 5:1-20. Inona no azontsika fantarina avy amin'io tantara mahagaga io momba ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy, ary koa momba ny herin'i Jesôsy?

Tsy hay hadinoina iny alina teo amin'ny farihy iny; fa ny fahatongavana tao amin'ny tanin'ny Gerasena ny ampitso koa dia nanaitra, tsy Iatsak'izany. Voalaza amin'ny tsipiriany mahonena ny tantaran'ilay Iehilahy demoniaka. Tsy nisy nahafehy azy; nitoetra teny amin'ny fasana izy, ary nitetika ny tenany tamin'ny vato. "Tsy nisy olona nahafolaka azy" — avy eo dia nifanena tamin'i Jesôsy izy.

Nihazakazaka nanatona an'i Jesôsy ilay lehilahy — tsy voaresaka ny nataon'ny mpianatra (angamba nandositra izy ireo). Rehefa tonga teo amin'i Jesôsy ilay Iehilahy dia niankohoka teo anatrehany. Ny teny hoe "niankohoka" dia avy amin'ilay matoanteny grika hoe proskyneô, izay matetika adika koa hoe "mitsaoka". Toa fantatr'ilay Iehilahy fa i Jesôsy no Olona afaka hamonjy azy. Vantany vao nanokatra ny vavany hiteny amin'i Jesôsy anefa izy dia ireo demonia tao anatiny no niantsoantso. Ren'i Jesôsy tao anatin'ny antso maherin'ireo demonia kosa ny bitsiky ny talahon'ity Iehilahy ity, niantso vonjy. Nangataka tamin'i Jesôsy ireo demonia ireo mba havela hiditra ao amin'ireo andian-kisoa, dia navelan'i Jesôsy. Kisoa niisa roa arivo teo no indray nirohotra tany amin'ny hantsana ka maty an-drano. Fatiantoka ara-bola lehibe ho an'ny tompony izany.

Ny mahagaga dia ity: fantatr'ireo demonia tsara hoe iza moa i Jesôsy. Fantatr'izy ireo ny tsy fananany hery eo anatrehan'i Jesôsy, izay nahatonga azy ireo "nifona mafy" Taminy indroa (Mar. 5:10,12) mba hanekeny ny fangatahany. Miharihary ny fahafantaran'izy ireo fa manan-kery mahafehy azy i Jesôsy.

Manana toetra roa mampiavaka azy io tantara io. Voalohany, feno singa maneho tsy fahadiovana na fahalotoana araka ny Ialàn'ny fombam-pivavahana ao amin'ny TT izany. Ny fasana sy ny faty dia maloto (Nom. 19:11,16). Ny olona mandeha ra dia maloto (Lev. 15). Ary ny kisoa dia maloto (Lev. 11:7).

Faharoa, hita misongadina mihoatra noho ny fisesin'izany fahalotoana izany ny fifanandrinana lehibe eo amin'ny herin'ny tsara sy ny herin'ny ratsy: noroahin'i Jesôsy ireo demonia; novonoin'ireo demonia ny andian-kisoa; nangataka an'i Jesôsy mba hiala ny taniny ireo mponina tao; ary i Jesôsy, rehefa avy nahasitrana ilay lehilahy, dia naniraka azy hijoro ho vavolombelona ho azy. Azo lazaina fa tsy ampoizina ho misiônera velively ity Iehilahy ity, saingy azo antoka fa nanana tantara mahagaga hotantaraina izy.

Inona ny fanantenana entin'io tantara io ho anao, izay momba ny herin'i Jesôsy mahavonjy anao amin'ny ady rehetra atrehinao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal