Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 14 June 2024

Mampahatsiahy ny Dan. 3 ny fiankohofana amin'ny bibidia sy ny sariny, raha nandray baiko avy tamin'ny mpanjakan'i Babilona i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego ny hiankohofany manoloana ny sary iray vita amin'ny volamena raha tsy izany dia hatsipy ao anatin'ny Iafaoro misy afo mirehitra izy. Babilôna fahiny sy Babilôna moderina — ny fiankohofana no lohahevitra eto. Ny tena fiankohofana marina dia avy amin'ny saina ampianarin'ny Tenin'Andriamanitra, avy amin'ny fanahy voaovan'ny fitiavany sy ny fo feno ny Fanahy. Noho izany, tsy "hanahaka an'izao tontolo izao" isika fa hivelona araka ny sitrapon'Andriamanitra hita ao amin'ny Teniny. Izany no hany fiarovana ho antsika! "Na oviana na oviana Andriamanitra tsy manery ny sitrapo na ny feon'ny fieritreretana; fa izay ampiasain'i Satana mandrakariva kosa mba ahazoany mandresy izay tsy azony fitahina amin'ny fomba hafa dia ny fanerena amin'ny alalan'ny halozana. Na amin'ny alalan'ny fampitahorana na ny herisetra dia miezaka izy hanapaka amin'ny feon'ny fieritreretana, ka hahazo voninahitra ho an'ny tenany. Mba hahatanterahany izany, dia samy ampiasainy ny fahefana ara-pivavahana na ny ara-panjakana, ka hamporisihiny izy ireo hanamafy ny lalan'olombelona ho enti-mihaika ny lalàn’Andriamanitra." HM, t. 617..

"Mba hahazakany ny fitsapana eo anoloany, dia tsy maintsy mahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra araka izay voambara ao amin'ny teniny izy ireo; tsy afaka hanome voninahitra Azy izy raha tsy manana fahalalana marina ny amin'ny toetrany, sy ny fitondram-panjakany ary ny fikasany ka hanao asa mifanaraka amin'izany. Tsy misy afa-tsy ireo izay nampahatanjaka ny sainy tamin'ny fahamarinan'ny Baiboly no ho afaka hijoro mandritra ny ady lehibe farany." — HM, t. 619

 "Nefa hanana vahoaka eto an-tany Andriamanitra izay hifikitra amin'ny Baiboly, ary ny Baiboly irery ihany ho filamatry ny fampianarana rehetra sy ho fototry ny fanavaozana rehetra. Ny hevitry ny manam-pahaizana, ny fehin-kevitra avy amin'ny `siansa', ny fanekem-pinoana na ny hevitra tapaky ny fivoriana fiheveran-draharaha ara-pivavahana, izay maro sy mifanolana araka ny fiangonana asehony, ny feon'ny maro an'isa tsy misy na ny iray amin'ireo, na izy rehetra, tokony horaisina ho porofo mazava hoenti-manamarina na manohitra foto-pampianarana ara-pinoana iray. Alohan'ny hanekena fampianarana na fitsipika iray dia tokony hitaky ny 'Izao no lazain'i Jehôvah' mazava ho enti-manohana izany isika." — HM, t. 621.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

1. Ahoana no ahazoantsika mivelona ao amin'ny fiandrasana ny fiavian'i Kristy sy mizara izany fanantenana izany kanefa tsy manaitra ny hafa tsy amin'ny antony?

2. Halalino ny momba ny fiankohofana. Inona no ambaran'ny fiainantsika sy ny fahazarantsika isan'andro momba izay iankohofantsika?

3. Ahoana no ahafahantsika miomana sy manampy ny hafa hiatrika ny hoavy amin-toky fa tsy amin-tahotra?

4. Mitondra fiovana eo amin'ny fiainantsika ankehitriny ve ny fahatakarana ireo toe-javatry ny andro farany, inona izany fiovana izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal