Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.

Daty
Alahady 29 June 2025

NY TONTOLON-KEVITRA ARA-TANTARA

Antsoina hoe shemot ny Eksodosy amin'ny teny Hebreo, izay midika ara-bakiteny hoe "anarana", araka ny teny fanombohana ao amin'io lahatsoratra fahiny io, manao hoe: "Ary izao no anaran'ny (...)". Voatanisa eo am-piandohana ny anaran'ny fianakavian'i Jakoba patriarika.

Vakio ny Eks. 1:1-7. Inona no fahamarinana manan-danja hita eto?

Manomboka amin'ny fampahatsiahivana ny fitahian'Andriamanitra ny bokin' ny Eksodosy. Rehefa nanorim-ponenana tany Egypta i Jakoba patriarika sy ny fianakaviany, dia olona 70 monja izy ireo (Gen. 46:27; Eks. 1:5). Kanefa "ny Zanak'Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany." - Eks. 1:7. Ary tamin'ny fotoana nanafahana azy ireo tamin'ny fanandevozan'ny Egyptianina, dia "lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy" izy ireo. - Eks. 12:37.

Vakio ny Eks. 1:8-11. Nanao ahoana ny toe-javatra niainan'ny Isiraelita tamin'ny fotoana nanafahana azy ireo tamin'ny fanandevozana?

Nanjombona ny tantaran'ny zanak'Isiraely tao Egypta raha ny fanoritso-ritan'ny Soratra Masina azy. Manomboka amin'ny fanandevozan'ireo mpampiasa Egyptianina ny vahoaka hebreo, sy ny fampahoriana azy amin'ny asa an-terivozona, ny bokin'ny Eksodosy. Kanefa mifarana amin'ny fanatrehan Andriamanitra mitondra fiadanana sy faherezana, ao amin'ny tabernakely izay eo afovoan'ny tobin'ny Isiraelita (jereo ny Eks. 40), kosa izany. Aseho eo anelanelan'ireo tendro roa mifanohitra ireo ny fandresen'Andriamanitra. Niseho ny fandresen'Andriamanitra mahatalanjona ny herin'ny ratsy ratsy tamin'ny t nanafahany ny vahoakany tamin'ny fanandevozana, tamin'ny nampisarahany ny Ranomasina Mena, ary tamin'ny nandreseny ny tafika matanjaka indrindra tamin'izany fotoana izany.

Voalaza mazava ao amin'ny tantara fa "araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa." Eks. 1:12. Izany hoe, na inona na inona tetika ataon'ny olombelona, dia mbola Andriamanitra no manana ny fahefana faratampony ary hamonjy ny vahoakany, na dia toa tsy misy azo antenaina aza ny zava-misy, fara fahakeliny araka ny fijerin'ny olombelona.

"Nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa." - and. 8. Araka ity fitantarana ity, nahoana no tsy tokony hahatafandry mandry antsika ny toe-java-misy, na tsara toy inona aza ny fisehony?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal