Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1 - IREO FAMANTARANA MANONDRO NY LALANA : Olona mafy fo

Daty
Alarobia 02 October 2024

Tsy manaporofo ny maha-avy amin'Andriamanitra azy ny famantarana sy ny fahagagana; etsy ankilany anefa dia mampidi-doza ny fandavana izany raha toa ka avy amin'Andriamanitra.

Vakio ny Jao. 5:10-16. Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ny hamafin'ny fon'ireo mpitondra fivavahana manoloana an'i Jesôsy sy ny fahagagana vao nataony, hamafisam-po izay mahavariana tokoa?

Rehefa nampahafantatra ny Tenany tamin'ilay lehilahy nositraniny i Jesôsy dia nambaran-dralehilahy tamin'ireo mpitondra fivavahana avy hatrany fa i Jesôsy no nanasitrana azy. Mety hieritreritra isika fa fotoana tokony hiderana an'Andriamanitra izany. Tsy izany anefa no nataon'ireo mpitarika fa "nanenjika an'i Jesôsy [izy ireo], satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy." -Jao. 5:16.

Ao anatin'ny fahamehana tanteraka ihany vao azo natao ny nanasitrana amin'ny Sabata tamin'izany andro izany. Efa nandritra ny 38 taona no nampalemy an'io lehilahy io ka tsy maika, araka izany, ny fanasitranana azy. Ankoatra izany, inona moa no nilana ny fibaikoana azy ny mba hitondrany ny fandriany? Noheverin'ny olona fa ny olona izay nomen'Andriamanitra fahefana hanao fahagagana toy izany dia hahalala fa tsy azo atao ny mibata fandriana rehefa Sabata. Hita mazava fa nanao izay hitondrana azy ireo lalindalina kokoa ho eo amin'ny fahamarinana ara-Baiboly i Jesôsy, fa tsy hijanona eo amin'ny didy amam-pitsipik'olombelona izay manafoana ny finoana tena izy indraindray.

Inona no ampianarin'ireo tantara roa ireo momba ny mety hamafin'ny fon'olona eo amin'ny lafiny ara-panahy na dia eo anatrehan'ny porofo maro aza? (Jao. 9:1-16; Mar. 3:22,23; Mat. 12:9-14).

Nahoana ary no dia jamba tahaka izany ireo mpitondra fivavahana ireo? Ny fony feno fahalovana no anton'izany, ny finoana diso notanany momba ny Mesia izay hanafaka azy amin'ny Rômanina ary ny fitiavany fahefana sy ny tsy fahampian'ny fanoloran-tenany ho an'Andriamanitra. Ireo rehetra ireo no nahatonga azy ireo hanosi-bohon-tanana ny fahamarinana izay teo anoloany indrindra.

Vakio ny Jao. 5:38-42. Inona ny fampitandremana nataon'i Jesôsy? Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ireo teny ireo? Izany hoe, inona ao anatintsika no mety manajamba antsika tsy hahita ny fahamarinana tokony ho fantatsika sy hampiharintsika eo amin'ny fiainantsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal