Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.

Daty
Alarobia 10 September 2025

FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA, ARA-DRARINY

Vakio ny Eks. 32:9-29. Inona no nataon'l Mosesy teo anatrehan'ny fikasan' Andriamanitra handringana ny Isiraely?

Raha mbola teo an-tendrombohitra Sinay i Mosesy, dia nilaza Andriamanitra fa handringana ireo mpikomy Izy ary hahatonga an'i Mosesy ho firenena lehibe kosa. Tsy izany anefa no tian'i Mosesy. Nitalaho tamin'i Jehovah izy, nantitranteriny fa tsy vahoakan'i Mosesy ny Isiraelita - fa vahoakan'Andriamanitra. Tsy ny tenany, izany hoe tsy i Mosesy, no nitondra azy ireo nivoaka avy tany Egypta, fa Andriamanitra no nanao izany tamin'ny alalan'ny asa mahery nataony. Dia toy izany no nitalahoan'i Mosesy tamin Andriamanitra, ka nitakiany ireo teny fikasana nataon'Andriamanitra voalohany tamin'ireo razany. Nanao asa fanelanelanana tamin'Andriamanitra sy ny olombelona i Mosesy.

"Ary Jehôvah dia nanenina ny amin'ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony"-Eks. 32:14; taorian'izany no niverenan'i Mosesy tany amin'ny vahoaka. Tsy misy filazana fa namirapiratra ny tavany noho ny fanatrehan'ny Tompo - tahaka izay nitranga tao amin'ny Eks. 34:29,30. Azo lazaina fa naneho taratra ny fahatezeran'Andriamanitra ny tavany.

"Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran'i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tanany ka novakivakiny teo am-bodin'ny tendrombohitra." - Eks. 32:19. Ny fanapotehana ny vato fisaka nisy ny Didy Folo dia famantarana ivelany ny fahapotehan'ny ao anatiny. Nananatra an'i Mosesy Andriamanitra noho izany, kanefa taty aoriana dia nandidy an'i Mosesy Izy mba hanamboatra vato fisaka roa ho solon "ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao" - Deo. 10:2. Andriamanitra mihitsy no naniry hanoratra indray ny didy.

Nananatra mafy an'i Arona i Mosesy noho ny nanekeny ny fitakian'ny vahoaka. "Inona no nataon'ity firenena ity taminao, no nitondranao heloka lehibe taminy?" - Eks. 32:21. Niezaka nanala tsiny ny fandikan-dalàna nataony i Arona tamin'ny (1) fanomezany tsiny ny hafa, sy (2) tamin'ny alalan'ny majika: "(...) natsipiko tao anaty afo izany, ka io ombilahy kely io no nivoaka"! - Eks. 32:24. Ny tena ratsy aza dia ity: nomen'Andriamanitra voninahitra lehibe i Arona, nanana tombontsoa maro izy, anisan'izany ny niakarany teny an-tendrombohitra niaraka tamin'i Mosesy sy ireo loholona 70 (Eks. 24:1).

Mampalahelo tokoa izany! Tamin'ny filazan'i Arona fa nisy fahagagana niseho, dia nantenainy ho voafitaka ny rahalahiny (mariho ny fomba itarihan'ny fahotana iray ho amin'ny fahotana iray hafa; teto amin'ity tranga ity dia nitarika ho amin'ny lainga ny fanompoan-tsampy). Kanefa tsy voafitaka i Mosesy satria hitany ny fihetsiky ny olona, izay tsy voafehiny. Niharihary ny voka-dratsin'izany, ary tsy maintsy nampitsahatra ny fikomiana avy hatrany i Mosesy.

Inona no tokony hampianarin'ity tantara ity antsika momba ny herin'ny vavaka fanelanelanana? Ho an'iza no tokony hivavahanao amin'izao fotoana izao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal