Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.

Daty
Talata 10 June 2025

BOAZA, AMIN'NY MAНА-MPANAVOTRA AZY

Nanjary tia an'i Rota fatratra i Boaza ary naniry ny hampakatra azy, saingy nisy sakana iray tsy azo natao tsinontsinona: nisy havana akaiky kokoa izay nanan-jo tamin-dravehivavy sy ny tany. Raha raisintsika ho tandindona maneho an'i Kristy i Boaza, dia manampy antsika hahatakatra ny ampahany manan-danja amin'ny ady lehibe ifanandrinan Andriamanitra sy i Satana izany toe-javatra izany. Tia antsika i Kristy, saingy misy "havana akaiky" izay milaza fa azy isika: i Satana.

Inona no ambaran'ireto toko sy andininy manaraka ireto momba ny fanambaran'i Satana fa manan-jo amin'ny taranak'olombelona izy? (Joba 1:6-11; Mat. 4:8,9; Joda 1:9; Lio. 22:31).

Rehefa tonga nanatrika ny filan-kevitry ny lanitra i Satana, dia nanambara tamin' Andriamanitra fa "Avy nizahazaha teny amin'ny tany (...) ka nivezivezy teny. Jôba 1:7. Ary rehefa nanontany azy Andriamanitra raha toa hitany i Jõba ilay marina, dia nambarany fa azy i Jôba fa tsy tena nametraka ny fony tamin Andriamanitra tokoa. Izany hoe, izao no tiany hambara: "Manara-dia Anao izy satria manisy soa Azy ianao. Atsaharo ny fanaovan-tsoa aminy dia ho hitanao izay tena iandanian'i Jôba."

Ahitantsika firesahana fohy mikasika ny tantara iray fantatry ny Isiraely tsara ao amin'ny Joda: natsangana tamin'ny maty i Mosesy taoriana kelin'ny fotoana nandevenan Andriamanitra azy (Deo. 34:6). Na dia tsy fantatsika aza ny tsipiriany momba izany, dia ambaran'ny lahatsoratra fa niady ny fatin'i Mosesy Andriamanitra sy i Satana; midika izany fa nitaky ny fatin'i Mosesy i Satana.

"Ary nony hitany fa vonona hanapaka ny fefy vy amin'ity tranomaizina mainty ity sy manatona ny fasana misy an'i Mosesy miaraka amin'ny andian'anjely mamirapiratra ilay Andrian'ny fiainana - dia taitra mafy izy ka nihazakazaka niaro ny toeram-panjakany. Lasa izy nanohitra mafy ny fanafihana ny tany izay lazainy fa azy, niaraka tamin'ny anjely ratsiny. Nambarany fa babony i Mosesy, afa-tsy izany, ny tsy fitandremany ny didin'Andriamanitra sy ny nakany ho an'ny tenany ny voninahitra tokony ho an'i Jehôvah , dia maha-meloka azy mitovy tamin'izay nandroahana azy, Losifera, avy any an-danitra." - PM, t. 477. Mazava loatra fa nolavin'i Kristy ny fitakian'i Satana, ary natsangana tamin'ny maty i Mosesy (jereo ny Mat. 17:3).

Nankany amin'ny vavahadin'ny tananan'i Betlehema i Boaza, ao amin'ny Rota 4:1-12, toerana izay nahaterahan'i Kristy teto amin'ity tanintsika ity amin'ny maha-havana mahavotra antsika Azy. Nivory tao ireo loholona, ary nisy ny fifanakalozana kapa tamin'ny farany (tandindon'ny maha-tompon'ny tany azy).

Teo am-bavahadin'ny tanana no nitsarana ny toe-javatra samihafa; tandindon'ny fitsarana hita ao amin'ny Dan. 7:13,14,22,16,27 izany. Tokony ho voamaritsika izao lafiny iray manan-danja amin'ny fitsarana izao: ny fanomezana "rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra dia noho ny nandoavan'i Kristy ny sandan'izany ho antsika, tahaka izay nataon'i Boaza ho an'ilay nampakariny.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal