HO AMIN'IZAO ANDRO IZAO MIHITSY
Fironana mampalahelo ao amin'ireo Kristianina sasany ny mifantoka amin'ireo teboka sarotra ao amin'ny faminaniana ara-Baiboly. Hitantsika fa mihakaiky ny fotoan'ny fizahan-toetra, ary mety hiorina amin'ny fahatahorana ny fandinihana ny faminaniana hany ka ny zava-tsarotra no ifantohana fa tsy ny fiafaran'ny tantara izay nampanantenain'Andriamanitra. Na dia tsy afenimpenin'Andriamanitra amintsika aza ny hoavy ary tsoriny amintsika ireo toe-javatra izay hitranga mandra-pifaran'ilay fifanandrinana lehibe, dia zava-dehibe mandrakariva ny hamakiantsika ny tantara hatramin'ny farany.
Misy rafitra ankapobeny ao amin'ny faminaniana izay anehoan'Andriamanitra ireo fahamarinana momba ny fikorontanana nateraky ny fikomiantsika olombelona, ary asehony antsika ny vokatr'izany. Manome fanantenana ho antsika mandrakariva anefa Izy aorian'izany. Misy ireo izay natahotra sy nangovitra raha nijery ireo fanambarana mialoha mikasika ny fotoan-tsarotra farany - ny "androm-pahorian'i Jakoba". Tsy isalasalana fa ho mafy ho an'ireo vahoakan Andriamanitra tokoa ny fotoana mamarana ny tantaran'ny tany, nefa tahaka ny maha-azo antoka ny filazana mialoha momba ny fotoan-tsarotra no maha-azo antoka koa ny teny fikasana momba ny fanafahana.
Manenjika ilay vadin'i Kristy amin'ny valifaty mangidy ny devoly, ao amin'ny Apôk. 12, nefa miditra an-tsehatra mba hamonjy an-dravehivavy Andriamanitra. Ny tantaran'i Estera koa dia ahitana mpanjakavavy tsara tarehy mitana ny anjara toerana fototra ao amin'ilay tantara, ary mampiasa azy amin'ny fomba mahery vaika Andriamanitra mba hamonjena ny olony.
Vakio ny Est. 4:13,14 sy ny Est. 5:1-3 ary ny Est. 9:20-28. Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ireo toko sy andininy ireo momba ny toerana misy antsika ao anatin'ny fotoana mamarana ny tantaran'ny tany?
Naorin'Andriamanitra mba hiatrika fotoana manokana eo amin'ny tantara ny fiangonany sisa. Rehefa hifarana ny 1260 andron'ny Vanim-potoana Antenan-tenany rakotra haizina, dia navoakan'Andriamanitra avy tao amin'ny fiafenany ilay hampakariny (ampitahao amin'ny Apôk. 12:14) mba hitondra ny hafa-pamindram-pony farany amin'izao tontolo izao: ny hafatry ny anjely telo. "Ho amin'izao andro izao mihitsy" no maha-eto antsika (Est. 4:14).
Hitan'i Estera fa tsy irery izy raha hiatrika ny fanenjehana nataon'i Hamana tamin'ireo mpiray firenena taminy: nahita fitia teo imason'ny mpanjaka izy ka nafahana ny vahoakany tamin'ny farany. Tsy irery koa isika raha miditra ao amin'ny vanim-potoana farany amin'ny tantaran'ny tany - miandany amintsika ny Mpanjaka ary hafahana koa ny vahoakan'Andriamanitra.
Tsara fiafarana ny vahoakan'Andriamanitra ao amin'io tantara io. Tsy izany mandrakariva anefa no mitranga, nahoana? Araka izany, nahoana isika no tokony hanana fijery mahataka-davitra mba hihazonana ny fanantenana ananantsika ao amin'l Kristy?