Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.

Daty
Talata 17 June 2025

MIANKOHOKA AMIN'NY SARY INDRAY

Efa ela no nahitan'ireo mpandinika ny Baiboly fa misy ifandraisany ny Dan. 3 sy izay ampianarin'ny Apôkalipsy momba ireo toe-javatra hitranga any am-parany. Ary marina izany satria ny fanamelohana ho faty ao amin'ny Dan. 3, ho an'ireo izay tsy mety miankohoka amin'ny sariolona (Dan. 3:15), dia maneho taratra ny didy manameloka ho faty ao amin'ny Apokalipsy, ho an'izay tsy mety miankohoka amin'ny sary anankiray koa. "Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibidia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibidia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibidia." - Apôk. 13:15.

Vakio ny Apôk . 13:11-17; Apôk. 14:9,11,12; Apôk. 16:2; Apôk. 19:20; sy ny Apôk. 20:4. Inona ny fifanoherana hita eto, izay mampiavaka ny didin'Andriamanitra amin'ny didin'olombelona?

Antsoina hiankohoka amin "Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano" ny vahoakan'Andriamanitra, izany hoe, ny Mpamorona, fa tsy ny bibidia sy ny sariny. Ireo zatovolahy hebreo telo izay norahonana ho faty, dia nandà tsy hanompo na inona na inona, na iza na iza, ankoatra an'Andriamanitra Mpamorona ihany. Araka izany, na samy hafa aza ny toe-javatra, dia mitovy ihany ny foto-kevitra hita teo amin'ny tany lemaka Dora izay nisy fandidiana hanompo sary fa tsy ny Mpahary, sy izay hitranga maneran-tany amin'ny fanerena ny olona hanompo sary fa tsy ny Mpahary.

Vakio ny Rom. 1:18-25. (Mariho ny fifandraisan'ny Rom. 1:18 sy ny Apok. 14:9,10 momba ny "fahatezeran'Andriamanitra.") Amin'ny fomba ahoana no ahitana fa ny fiankohofana amin'ny sary dia mampiseho fotsiny hoe iza no tian'ny olombelona hankatoavina amin'ny farany?

Tsy voatery hidika mandrakariva ho fiondrehana sy fandoroana ditin-kazo manitra ny fiankohofana, na dia mety hatao aza izany. Izay omentsika ny fankatoavantsika faratampony no iankohofantsika. Rehefa sainintsika ny momba an'Andriamanitra, Mpahary antsika, sy izay nataony ho antsika tao amin'i Jesôsy  Mpanavotra antsika, dia mazava loatra fa Izy irery ihany no mendrika sy tokony hiankohofana. Fanompoan-tsampy ny zavatra hafa rehetra. Mety ho izany no anton'ilay teny henjana nataon'i Jesôsy hoe: "Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka" - Mat. 12:30. Izay hitranga any am-parany dia tsy inona fa fanehoana amin'ny fomba mazava io fahamarinana io.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal